Mpangalatra entana anaty fiara mipetraka eny Ampefiloha nifanenjehan’ny fokonolona, afakomaly. Mijerijery ireo fiara heveriny ho tsy misy mpiambina eny an-toerana, manokatra tampoka ny varavarana, io lehilahy io ary mangalatra ireo fitaovam-pihainoana toy ny autoradio. Tsikaritry ny manodidina io fihetsik’ilay lehilahy io. Niray hina avy hatrany izy ireo ka nifanenjehana ilay mpangalatra. Tsy lasa alavitra, voasambotra ity farany. Tratra teny aminy ny autoradio nokasainy hangalarina. Saika niharan’ny daroka nataon’ireo vatan-dehilahy hafa nahasambotra azy izy. Nentina teny anivon’ny biraon’ny polisy ao amin’ny PPA Ampefiloha. Natao famotorana ary hatolotra ny fampanoavana.
Tsiferana R.




