Efatra andro eo sisa, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika tsy misy mpilalao milaravinahitra,” Chan 2024 ». Hotontosaina any Kenya, Tanzanie ary Ouganda, ny 2-30 Aogositra ho avy izao, izany. Efa lasa omaly, namonjy an’i Tanzanie, ny Barea A’.
Nanainga omaly, tetsy Ivato, hamonjy an’i Tanzanie, ny Barea de Madagascar hiatrika ny “Chan 2024”, hatao any Tanzanie, Ouganda ary Kenya, ny 2-30 aogositra ho avy izao. Miisa 39 ny olona ao anatin’ny delegasionina, ahitana mpilalao 29 mirahalahy sy “staff” 10.
Hatramin’ny nanoratanay, halina, tsy mbola tazana ihany ny lisitra avoakan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Na izany aza, efa fantatra avokoa ny anaran’ireo mpilalao handeha hitondra avo ny Barea A’.
Mpilalao efatra tamin’ireo niatrika ny “Chan 2022”, izay natao tany Algerie no voatazona ao anatin’izany. Anisan’ izany Andriamirado Aro hasina, na i Dax, kapitenin’ny Barea A’, Rafanomezantsoa Lalaina, CFFA Andoharanofotsy, i Hasinirina Onjaniaina Patrick, Elgeco Plus, ary Randriamanampisoa Tony, Elgeco Plus.
Marihina fa tazana teny ihany koa ireo mpilalaon’ny Elgeco Plus telo mirahalahy, manatevina izany lisitra izany. Anisan’izany Ramahandrison Niaina Tsilavina na i Tsila, vodilaharana, Randriamanjato Fenotiana Jessy, hirakiraka, ary Rafelambolatiana Mandaniaina Sarobidy Jhonathan na i Manda, vodilaharana.
Tsy hita tao anatin’ity lisitra ity moa i Donga, Tinoh, Disciples FC, sy i Christiano, i Dadafara, CFFA. Nanamafy ireo mpampita vaovao eo anivon’ny Barea A’, fa misy amin’izy ireo no maratra ary eo ihany koa ilay hoe “Baisse de forme”, tamin’ity taom-pilalaovana ity.
Tsara ny mampahafantatra fa miray vondrona “B”, amin’ny Barea, i Tanzanie, mpampiantrano, i Burkina Faso, i Centrafrique ary i Mauritanie.
Tsy nitazam-potsiny ny Fanjakana
Tonga nanolotra vatsin-dalana sy nanome tsodrano teny an-toerana ny solontenan’ny fitondram-panjakana, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Abdulah Marson. Tsiahivina fa tsy manisy tombo sy hala amin’ireo ekipa nasionaly izay hiatrika ny fifanintsanana iraisam-pirenena ny filohan’ny Repoblika Malagasy, Rajoelina Andry. Ary efa fanamby napetrany ny hanohana ny Malagasy atleta rehetra izay miaro ny voninahi-pirenena sy ny mitondra avo izany, amin’ny fifanintsanana toy itony.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny taona 2023, noraisin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ireo Barea Chan, izay nahazo ny medaly alimo. Samy mirary ny handrombahin’ireo mahery fo, ny medaly volamena ny Malagasy mpankafy baolina kitra maro.

Ireo mpilalao 29, lisitry ny Barea A’ hiatrika ny “Chan 2024” voaangonay, saingy tsy mbola namoaka ny teo anivon’ny FMF:
Mpiandry harato (3):
Ramandimbisoa Michel na i Toldo, (Elgeco Plus), Ratsimbazafy Manda Hasina na i Bota, (Ajesaia), Tsilavintsoa Berni, (As Fanalamanga)
Vodilaharana (12):
Randriamanampisoa Tony, (Elgeco Plus), i Heriniaina Toky, (Fosa Junior FC), Ratsimbazafy Claude, (Disciples FC), Randrianjatovo Randy, (Uscafoot), i Tovondrainy Gilbert, (Mama FC), Rabemanantsoa Rado (As Fanalamanga), Rijaniaina Nicolas (Fosa Juniors FC), Rabearivelo Bono, (Disciples FC), Tolojanahary Antonio, (Ajesaia), Fanomezantsoa Roland na i Garol (Cosfa), Ramahandrison Niaina Tsilavina na i Tsila, (Elgeco Plus), Rafelambolatiana Mandaniaina Sarobidy Jhonathan na i Manda (Elgeco Plus).
Hirakiraka (7):
Andriamirado Aro Hasina na i Dax, (Fosa Juniors FC), Rakotondrajao Andy (Disciples FC), Rafanomezantsoa Lalaina (CFFA), Rasolofomanana Hery na i Gone (CFFA), Ramamonjisoa Onja Andrianina na i Tsôla (AS Fanalamanga), Rakotoson Mamisoa Alexandre (Elgeco Plus), Randriamanjato Fenotiana Jessy, ( Elgeco Plus)
Lohalaharana (7):
Rajaonarivelo Hery na i Dahery (Disciples FC), Rakotondraibe Toky (Cosfa), Manohatsoa Félicité na i Fely (Fosa Juniors FC), Razafimaro Fenohasina Gilles na i Feno (Ajesaia), Razafimahatana Micka Gregass (CFFA), Ranaivoson Jean-Luc (Mama FC), Onjaniaina Patrick Hasinirina (Elgeco Plus).
Hoy izy ireo:
Ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Marson Abdulah:
“ Mirary anareo ho tody soa aman-tsara any amin’ny dianareo. Mirary anareo ihany koa ho tafita any amin’ny dingana ambony indrindra amin’ity “Chan” ity. Misaotra ny Filoha isika, tsy hadinony tanteraka ianareo, ary nanolotra voandalana ho anareo tsirairay ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Mahavita be, arovy ny voninahi-pirenentsika, ary fantatro fa manana taktika tsara isika ahafahana mandresy ireo mpifanandrina ireo”.
Ny Mpanazatra Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô:
“Misaotra anareo sahady amin’izao tsodrano sy vatsin-dalana omenareo anay izao. Hiezaka izahay, hanome ny hery rehetra sy ny tsara indrindra avy aminay mandritra ity fifanintsanana ity”.
I Dax, kapitenin’ny Barea de Madagascar A’:
“Vonona tanteraka izahay, ary mankasitraka sahady ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana. Manome toky izahay fa hiezaka sahady ny hanome ny tsara rehetra avy aty aminay, ary mba ho tsara no ho ilay tamin’ny taona 2023, iny, ny vokatra azon’ny Malagasy.”
Vaovao nangonon’i Fitia Randria




