Tapa-tanana ny renim-pianakaviana 76 taona ary tapaka fe ny lehilahy 23 taona niharan’ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny lalam-pirenena fahafito, 7 Km tsy hiditra ny tananàn’Ambositra, omaly maraina. Niainga avy any Vangaindrano io fiara mpitatitra io ary nikasa hihazo an’Antananarivo Renivohitra. Nifandona tampoka tamin’ny fiara iray hafa avy any Toliara ilay taksiborosy. Nilatsaka tao ambanin’ny tetezana tao Ankorona. Olona miisa 12 tamin’ireo mpandeha naratra. Nentina namonjy ny hopitaly CHRR Ambositra avy hatrany ny valo. Olona roa tapaka ka voatery naiditra sampana vonjy aina. Tsy nisy namoy ny ainy nandritra ity loza ity. Potika tanteraka ilay fiara tra-doza. Niditra an-tsehatra tamin’ny fikarakarana ireo niharan-doza ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Miroso amin’ny fanadihadiana momba io tranga io kosa ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Etsy ankilany, anatin’ny fotoam-pialantsasatra tanteraka amin’izao fotoana ka maro ireo mivezivezy mihazo ny faritra. Hisorohana ny lozam-piarakodia tampoka, mila mailo hatrany ny mpamily, indrindra ny fanaraha-maso ny fahatomombanan’ny fiara. Tsiahivina, kamiao mpitatitra entana iray tapaka hisatra teny amin’ny RN7, ny sabotsy lasa teo. Ramatoa iray namoy ny ainy vokatr’io.
Tsiferana R.




