Volamena 2,115 kilao no tratra saika haondrana antsokosoko. Sarona koa ny trano fandrendrehan’ireo mpanao trafika bolongam-bolamena.
Nahomby indray ny ezaka nataon’ny Fadintseranana malagasy. Teratany srilankey iray no tratra nitondra volamena antsokosoko, milanja 2,115 kilao, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny 22 jolay teo. Nikasa handray ny sidina EK 708 ho any Dubai izy, saingy nampiahiahy ny sary hitan’ny fitaovana mitily «scanner». Hitan’ny sary ny bolongam-bolamena voarafitra (lingot) miisa 20, nafenina tanaty fitaovana samihafa. Tombanana mihoatra ny 1 miliara Ar (1 019 043 423 Ar) ny sandan’ireo volamena ireo. Tonga teto Madagasikara niaraka tamin’ny fahazoan-dalana « visa » mpizahatany ity srilankey ity.
Nisafidy tsy hamoaka ho an’ny besinimaro ny vaovao ny Ladoany malagasy, fa nanohy ny fanadihadiana lalina am-pilaminana sy hamantarana ny tambajotra. Taorian’izany no nahalalana trano iray mifandray amin’ireo mpanao trafika. Tratra tao ny fitaovana manokana maromaro, fanodinana volamena ho lasa bolongany. Toy, ny lafaoro, lasitra, «presses métaliques», «chalumeaux», mizana fandanjana, kojakoja fanafenana ny birikim-bolamena, sns. Fantatra fa misy lehilahy roa (srilankey sy pakistaney) miray tsikombakomba amin’ilay srilankey tratra teny Ivato. Monina eto Madagasikara ilay pakistaney, ary any Dubai ilay srilankey.
Napetraka any amin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ireo volamena tratra. Natolotra ny Tendro miady amin’ny kolikoly ilay voarohirohy, ny 25 jolay teo, ary notazonina vonjimaika any Tsiafahy. Vesatra hiampangana sy hanenjehana azy ny fanondranana antsokosoko entana voarara sy famotsiam-bola avo lenta. Namoahana didy fikarohana ilay pakistaney mpiara-miasa aminy.
Njaka Andriantefiarinesy




