Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ankazobe, ilay lehilahy nanidrona antsy inenina ny lehilahy iray hafa, tao amin’ny kaominina Ambohitromby. Niaro ny anabaviny tsy ampy taona saingy efa tao anatin’ny hamamoana, nandratra olona tamin’ny fomba nahatsiravina ny lehilahy iray, tao amin’ny fokontany sady kaominina Ambohitromby, distrikan’Ankazobe io, ny 26 jona teo. Nanao forazaza ny tao an-tanàna. Niara-nifaly nandritra ny alin’io andro io ireo mpanatrika ka anisan’izany ny zandry vavin’ilay lehilahy. “17 taona io ankizivavy io saingy hitan’ilay zokiny nisy lehilahy nanadala”, hoy ny fanazavan’ny zandary kaomandin’ny tobim-paritra Ankazobe. Naterin’ilay zokiny tany an-trano, araka izany, io zandriny io. Niverenany ilay lehilahy nanadala ny zandriny. “Nolerany antsy inenina teo amin’ ny faritry ny kibony io lehilahy nanadala ilay zandriny io”, hoy ny fanazavan’ny zandary nanao famotorana. Efa nisaraka ny ray aman-drenin’izy mianadahy ka nipetraka ho mpitaiza an’io zandriny io ilay lehilahy.
Tao anatin’ny hamamoana
Nisotro zava-pisotro mahamamo avokoa ny ankamaroan’ireo vatan-dehilahy nanatrika io famorana io. Anisan’ ireo nisotro tamin’izany koa ny zokin’ilay ankizivavy nisy nanadala. Tsy nahafehy ny hatezerany intsony ity farany ka nahavanona io loza amin’atambo io. “Niezahana nentina toeram-pitsaboana ilay naratra ka mbola eny anivon’ny HJRA izy amin’izao fotoana”, hoy hatrany ny zandary. Nosamborina ny nahavanon-doza. Nentina natao famotorana izy ka niaiky ny helony. Nohainoin’ny fampanoavana, voatazona vonjimaika eny anivon’ny fonja Ankazobe, ity farany. Ahina mafy ny fahasalaman’ilay voatsatoka antsy. Manao izay ho afany mitsabo azy kosa ny fianakaviany. Tsy nanaiky ny nanjo ny havany izy ireo.
Tsiferana R.




