Niakatra fitsarana teny Avaradrano, ny 23 jolay lasa teo, ny raharaha fitoriana vazaha nanao herisetra tamin’ny mpiasa ao aminy teny Andranovelona Ilafy. Nivoaka afakomaly ny valim-pitsarana ka voasazy higadra an-tranomaizina mandritra ny herintaona izy sy ny mpamiliny, raha ny didy nivoaka. Mandoa onitra 1 tapitrisa Ariary ihany koa izy ireo. Nohafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana kosa ny ramatoa teratany malagasy iray, vadin’ilay vazaha.
Tsiahivina fa voaendrikendrika ho nangalatra ny volan’ny mpampiasa azy tao anaty fiara nihidy io lehilahy mpiambina sady mpikarakara zaridaina io ny 9 jona lasa teo. Novonoin’ilay vazaha izy tamin’izany ka tsy nahatsiaro tena. Nentina tany amin’ny hopitaly ary nolazain’ny mpitsabo fa nikasa hamono tena satria nahitana poizina tao anatin’ny vatany. Nametraka fitoriana ho an’ilay vazaha sy ny vadiny ary ny mpamily iray ity niharam-boina ity ny 2 jolay 25 noho ireo vono sy fandrahonana ho faty nahazo azy. Ankoatra izay, nitory io mpiambina ny tanàna io ihany koa ilay vazaha, izay voalaza fa nangalatra vola. Tokony ho ny 17 jolay teo ny fitsarana ny raharaha saingy tsy tonga niatrika izany ilay nitory. Nihemotra ny 24 jolay indray izany fa tsy mbola tonga ihany ny mpitory. Tsiahivina fa malaza ho mahafantatra olona ambony io vazaha io ka tsy matahotra manao karazana herisetra amin’ny mpiasany sy ny manodidina azy. Mivadika any amin’ny mpampiasa mahasahy mitory foana ihany koa ny fitoriana azy, ka tsy sahy mitory ireo mpiasa.
Mino




