Olona fito niara-namoy ny ainy vokatry ny fahatapahan’ny hisatry ny fiara nitondra azy ireo tany Beranomaso, omaly. Tsy voafehin’ny mpamily ny familiana ka nahatonga ny loza.
Namoy ny ainy ny mpandeha miisa fito tao anatin’ny fiara iray tra-doza tao Beranomaso, amin’ny lalana mampitohy an’i Mahabo sy Miandrivazo, omaly maraina, tamin’ny 9 ora. Nitrangana olana tampoka ny fiara ka tsy voafehin’ny mpamily intsony ny familiana rehefa nandeha tamin’ny fidinana. Nifatratra ivelan’ny arabe ilay mazda. Naratra mafy ny ankamaroan’ireo mpandeha. Tsy tana, nandritra izany, ny ain’ny zaza miisa telo. Nananosarotra rahateo ny ratra nahazo ireo mpandeha, lehilahy miisa efatra, ka niafara tamin’ny famoizany aina izany. Tapaka ny tongotry ny mpamily ny fiara. Nentina eny anivon’ny CSBII Ankilizato notsaboina ny olona efatra izay anisan’ny voa mafy. Olana teo amin’ny hisatra no heverina ho nitarika ity loza ity. Miroso amin’ny fanadihadiana lalina momba ity tranga ity ny zandary avy ao Ankilizato. Fahatapahan’ny hisatra teo amin’ny fiara ny antony nahatonga ny lozam-pifamoivoizana, raha ny fanavazana voaray.
20 hafa naratra
Ankoatra izay, olona 20 ihany koa naratra vokatry ny fivadihan’ny fiarabe iray teo amin’ny fokontany Ambanimaso, Ambanin’ny Tribunal Ambatolampy, teo amin’ny PK. 67,5, omaly maraina tamin’ny 6 ora latsaka fahefany. Nalefa notsaboina eo anivon’ny hopitaly CHRD Ambatolampy avokoa ireo naratra. Tsy maintsy nalefa notsaboina aty Antananarivo kosa ny efatra tamin’izy ireo, raha ny tatitra voaray. Fiara avy any Fort-Dauphin hihazo an’Antananarivo io niharam-boina io. Nandeha mafy ary nidona tamin’ny andrin-jiron’ny Jirama izy io avy eo. Noho ny hamafin’ny dona, tapaka sy nianjera ilay andrin-jiro ary nivarina sy nivadibadika ambony ambany niala ny arabe ilay fiara. Tonga nijery ny zava-misy ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena any an-toerana. Nisahana ny fanadihadiana kosa ny polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisaria Ambatolampy. Tsiahivina, vao ny faran’ny herinandro teo, kamiao lehibe tapaka hisatra iray nahafaty olona teny amin’ny RN7 hiditra ny tanànan’i Behenjy. Ilaina hamafisina ny fanaraha-maso ireo fiara mpitatitra olona mihazo ny faritany na an-dRenivohitra amin’izao fotoam-pialantsasatra izao.
Tsiferana R. / Mino




