Nanao didin’ny be saina, teratany Sinoa roa lahy sy Malagasy miisa dimy notanana vonjimaika any am-ponja taorian’ny fampanoavana tao Fenoarivo Atsinanana, ny alarobia 30 jolay teo. Nosimbain’ireo sinoa ny lalana vao vita tara sy vao notokanan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, tao Voahilava Nosy St Marie, ny alatsinainy 28 jolay lasa teo. Nolavahin’ireo sinoa ireo nasiany lakandrano io arabe io. Nampiasa malagasy miisa dimy izy ireo nanatanteraka ny asa. Tsy nangataka alalana tamin’ny tomponandraikitry ny tanàna anefa izy ireo.
Nahita izany ny filohan’ny fokontany ka nampijanona ny fangadiana. Tsy nanaiky ilay sinoa, nampiantso mpanao gazety io sefo fokontany io mba haka sary ny trangan-javatra. Norahonan’ilay sinoa ary saika nosimbain’izy ireo hatramin’ny fitaovan’ny mpanao gazety. Nivadika ho sakorokoroka izany. Nikasa hikasi-tanana an’ilay sefo fokontany sy mpanao gazety ireo sinoa roa lahy. Niantso mpitandro filaminana ireto farany. Vokany, nanome baiko ny mpitandro filaminana ny Prefet, mba hisamborana ireo rehetra voakasika. Nosamborina mialoha ireo teratany sinoa roa lahy izay miseho ho tsy rafesi-mandidy amin’ny heviny. Nisokatra ny fanadihadiana ary izao niafara tamin’ny fampidirana vonjimaika am-ponja izao.
Sajo




