Voasambotra tany Sahavalaina, lalam-pirenena faharoa, disitrikan’i Brickaville, i Tapatanana, izay ati-doha sy sefon’ny tambajotra miaraka aminy, taorian’ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Atsinanana, ny 27 jolay teo. Nirongatra ny fanafihan-jiolahy tao an-toerana, ka nanapa-kevitra ny lehiben’ny fampanoavana anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Vahiny Yvi Sandro, nampiantso tampoka ny fivorian’ny OPJ rehetra, ny 4 jolay lasa teo. Nanao ezaka ny tsirairay hisamborana ireo mpanao ratsy. Nahazo loharanom-baovao ny zandary ka nidina ifotony taorian’ny fandrobana niseho tao Mangarivotra, ny 23 jolay teo. Tratra tamin’izany io jiolahy mpanao fanafihana fanta-daza atao hoe Tapatanana io. Nosavaina ny toeram-ponenany. Hita tao avokoa ireo karazan’entana halatra, toy ny solosaina, finday, tablette, nangalariny, hatramin’ny pistolet d’alarme à bille. Voasambotra koa ny ramatoa mpampiantrano sy lehilahy mpimasy.
Voasambotra indray tao Ambalakisoa ny roa lahy mpanatanteraka fanafihana, ny 28 jolay teo.
Nitoroka ny namany izy roa lahy ka nanao vela-pandrika ny zandary. Nitifitra avy hatrany ireo jiolahy rehefa nigadona teny amin’ny toerana ny namany sy ireo mpitandro filaminana. Lavo ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Nahitana basy “pistolet automatique” sy bala 02 teny amin’ity farany.Raha hiverenana, fanafiana miisa dimy no niseho tao Toamasina Renivohitra, nandritra ny volana jolay. Anisan’ izany ny tokantrano iray voaroba tao Tanamakoa ary teratany vahiny lasibatra tao Tahitikely, ny 2 jolay. Lasan’ny olon-dratsy ny vola sy basy.
Sajo




