Anosibe : Tratra namaky trano i Fetra

Voasambotry ny polisy teo am-pikasana hamaky trano ny lehilahy iray 24 taona, tao Anosibe, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana, nanao asa fisafoana teny amin’iny faritra iny ny mpitandro filaminana. Tratra teo am-pangalarana entan’olona i Fetra izay tovolahy vao erotrerony. Nosakanan’ny polisy izy. Nosamborina ka nentina natao famotorana eny anivon’ny CSP 5 Mahamasina. Nahatrarana entana saika hangalariny koa teny aminy. Nihazona fitaovana fampiasa amin’ny fidorohana zava-mahadomelina koa io tovolahy io, raha ny tatitra. Marihina, tovolahy manana feo miavaka ary efa namoaka hira niaraka tamin’ny mpanakanto malaza i Fetra. Nanolo-tanana azy ny ankamaroan’ireo tsara sitrapo nialany tamin’ny fiankinandoha amin’ny zava-mahadomelina toy ny rôrô, saingy tsy miova amin’ny fitondran-tenany mihitsy i Fetra ka izao tratra izao.

Tsiferana R.

Partager sur: