Maty tsy tra-drano voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana ny lehilahy iray teny Andohatapenaka, omaly. Namoy ny ainy tany amin’ny hopitaly kosa ny iray hafa. Olona hafa naratra ka nentina hopitaly.
Namoy ny ainy vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray 35 taona, anisan’ireo voafaokan’ ny fiara tsy mataho-dalana teny amin’ny lalam-baovao Andohatapenaka, omaly atoandro tamin’ny 12 ora sy sasany. Avy amin’ny lalan’Ankasina, nihodina amin’ny « rond-point » Andohatapenaka, io fiara io. Nandeha mafy ny fiara ka nifaoka olona miisa roa teo amoron’ arabe. Voadona, nandritra izany koa, ny moto iray niampy bisikileta roa an’ny mpivarotra amoron-dalana teo amin’ny faritra nitrangan’ny loza. Nivadika ilay fiara rehefa tsy voafehin’ny mpamily intsony. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ireo naratra saingy tsy tana ny ain’ilay lehilahy iray voa mafy. Nifamonjena nentina eny anivon’ny HJRA ny mpamilin’ny fiara izay naratra mafy. « Niala moto tampoka nisongona tamin’ny arabe io fiara io », araka ny fanazavan’ny nanatri-maso ny loza. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana ny ekipan’ny polisim-pirenena, amin’ny alalan’ny BAC. Nosintomina avy hatrany rahateo ny taratasy fahazoan-dalana hamily an’ ilay nitera-doza. Fantatra fa namoy ny ainy tany amin’ny hopitaly ihany koa ny olona iray hafa, iray tamin’ireo naratra mafy.
Ankoatra io, mpitondra taxi-bisikileta namoy ny ainy teny Anosipatrana, afakomaly. Vaodonan’ny kamiao io lehilahy io ary maty. Nikasa handositra ny mpamily saingy tratra tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny loza. Marihina, mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana, na an-tanàn-dehibe na amin’ny lalam-pirenena, noho ny tsy fitandremana ataon’ireo mpampiasa lalana tato ho ato. Fandehanana mafy, tsy fanajana lalàn’ny fifamoivoizana ho an’ny mpandeha an-tongotra sy ny mpamily.
Tsiferana R.




