Notafihan’ny jiolahy miisa valo, misaro-tava sy mirongo fitaovam-piadiana toy ny basy sy sabatra ny tokantrano iray any Kiembe-Haut Toliara, omaly tamin’ny 1 ora maraina. Raim-pianakaviana iray maty voatifitra tamin’izany. Lasan’ ireo olon-dratsy nandritra izany ny vola mitentina 3 tapitrisa Ar mahery sy ny finday tao an-trano. Naratra mafy, voadaroky ny jiolahy kosa ny renim-pianakaviana. Niditra an-tsokosoko tao amin’ny tokantrano ireo jiolahy ireo ka nively baramina ny raim-pianakaviana tompon-trano. Nitaky ny vola rehetra ireo jiolahy. Nodarohan’ireo olon-dratsy koa ny renim-pianakaviana, vadin’ilay tompon-trano ka naratra mafy. Tampoka, nirefotra ny basy ka namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy izy io. Niaro ny vady aman-janany io raim-pianakaviana io ka antony nahatonga ireo olon-dratsy nitifitra azy tamin’ny basy. Lasa nitsoaka tamin’ny fiara avy hatrany ireo olon-dratsy rehetra ireo rehefa avy nandroba ny entana sy namono ireo mpivady. Tsy nisy naninona kosa ireo zanaky ny tompon-trano niisa roa tamin’io fotoana io. Raha ny fantatra, mpamongady iray any Toliara io raim-pianakaviana maty voatifitra io. Ao anatin’ny fitaintainana hatrany ny ankamaroan’ny mponina amin’izao fotoana izao. Samy hitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana sy ahenoana andian-jiolahy maro tahaka izao hatrany manafika na eto Antananarivo na any amin’ny faritra. Miantso ny mpitandro filaminana hijery akaiky ny tsy fandriampahalemana misy ny mponina.
Mino




