Hita faty tao anaty kirihitr’ala i Boeza, tovolahy vao 17 taona, tao amin’ny fokontany Marovato, kaominina ambanivohitra Miarinarivo, disitrika Andilamena, faritra Alaotra Mangoro, ny 2 aogositra teo. Nahitan’ny fokonolona diam-bala ny vatan’io lehilahy namoy ny ainy io. Nasitrika tao anaty kirihitr’ala, tao aorian’ny namonoana azy, io tovolahy io. Ankizy haka kitay no nahita tampoka ny razana izay nosaromana ravin-kazo. Nampandre ny fokonolona avy hatrany ny nanatri-maso. Nifamaly tamin’ny zandary roa lahy nisotrosotro tao an-tanàna an’i Marovato ny fokonolona, ny 31 jolay. Tsy naharitra nifamaly tamin’ireo mpitandro filaminana roa lahy ilay tovolahy tamin’io fotoana io ka niala, araka ny fanazavan’ny nanatri-maso ny fifamaliana. Narahin’ireo zandary roa lahy io tovolahy tsy ampy taona io ary naheno feom-basy ny fokonolona taorian’izay. Niverina teo amin’ny toeram-pisotroana ireo zandary roa lahy. Tsy hita intsony i Boeza ka nikaroka azy ny fianakaviany sy ny fokonolona. Hita faty ity farany, roa andro taorian’io nikarohana azy io. Manahy mafy ny fianakavian’ny maty fa niniana novonoina ny zanak’izy ireo kanefa tsy nanao ratsy. Nametraka fitoriana eo anivon’ny zandarimaria miasa ao Andilamena ny havan’ny lasibatra.
Sajo




