Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray mpisoloky sady nahatrarana vola sandoka ana hetsiny tao Ambilobe tampon-tanàna. Nanatona toeram-pandefasana vola iray io lehilahy io ny alakamisy 31 jolay lasa teo. Nilaza hametraka vola anatin’ny findainy izy. Mailo ny mpiasa tamin’ilay Cash point satria hafahafa ny fihetsik’io lehilahy io. Natao ny dingana rehefa nahafahana hametraka ny vola anatin’ny laharana notononin’ilay mpisoloky. Nitaky ny vola ny mpitazona ilay Cash point. Nanisa ny vola ity farany vao nahatsikaritra fa sandoka avokoa ireo roa alina miisa 30 nomena azy. Nampandre ny manam-pahefana avy hatrany ny lasibatra. Tsy afa-nandositra ka voasambotra teo no ho eo io mpisoloky io. Nogiazan’ny polisy ny vola sandoka teny aminy. Nentina natao famotorana izy ary niaiky heloka. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka voatazona vonjimaika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy.
Tsiferana R.




