4×4 latsaka tanaty hantsana : Ramatoa 72 taona namoy ny ainy

Maty tsy tra-drano vokatry ny fivadihan’ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy ny renim-pianakaviana iray teny amin’ny fokontany Tsiazonkirano. Tsy nahatana ny familiana ny mpamily ka nilatsaka tany anaty hantsana ny fiara.

Renim-pianakaviana iray 72 taona maty tsy tra-drano niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra PK160+900, fokontany Tsia­zokirano, kaominina Tsara­ma­soandro, distrika Ankazobe, ny alatsinainy atoandro teo. Niainga avy aty Antananarivo io fiara tsy mataho-dalana io. “Nikasa hihazo an’i Mahajanga ireo mpandeha tao anatiny kinanjo tra-doza tampoka noho ny fandehanana mafy”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny zandary eo anivon’ny tobim-paritra ao Manerine­rina. Nivadika ny fiara ka tafavoaka ny arabe. Nianjera tany amin’ny hantsana mahatratra 110 m ny fiara. Nifamonjena avy hatrany ireo mpandeha saingy tsy tana ny ain’ny renim-pianakaviana iray 72 taona. Voa mafy koa ny vadiny nia­raka tamin’ny lehilahy iray 25 taona. “Samy nalefa nanaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly avokoa ireo olona telo hafa naratra mafy ka anisan’ izany ny mpamily”, hoy ny fanazavan’ny zandary. Tsy fitandremana hatrany no mitarika ny loza anivon’ny lalam-pirenena, araka ny fanamafisana. Mila manaja ny hafainganam-pandeha ireo mpampiasa lalana, indrindra anatin’ izao vanim-potoana fialantsasatra izao.

Tovolahy naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana am­baratonga voalohany Maha­janga, omaly, kosa ny raharaha lozam-pifamoivoizana niseho tany amin’ny Bord de la Mer, ny sabotsy 3 aogositra lasa teo. Naiditra vonjimaika am-ponja any amin’ny toby fanarenana any Marofofo Maha­janga, omaly ihany, ilay tovo­lahy 17 taona nandona renim-pianakaviana iray. Raha tsiahivina, renim-pianakaviana iray no nodomin’ny moto notaingenanan’olon-droa, ny sabotsy teo. Niampita teo amin’ny toerana natokana ho an’ny mpan­deha an-tongotra io ramatoa io. Tsy nijanona ilay mpitondra kodiaran-droa fa nandona azy. Vokany, naratra mafy ary voadona mafy teo amin’ny lohany ilay niharam-boina. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly moa ilay voadona mba hanavotana azy. Hatramin’ny nanoratana omaly, mbola manaraka fitsaboana io ramatoa io.

Tsiferana R / Mino

Partager sur: