Notanana atao andrimaso sy fanadihadiana eny anivon’ ny polisy ireo roa lahy izay tsy hafa fa ray niteraka sy raikelin’ny zaza varira nisy naka an-keriny tao Marofinaritra, kaominina Mananjary. Tsy nifankahazo ny renin’io zazavavy vao 4 taona monja io sy ny rainy. Niafara tamin’ny fifamaliana izany ka nandao ny tokantrano izy mianaka. Nikasa hamonjy ny ray aman-dreniny ilay ramatoa sy ny zanany, ny sasakalin’ny talata 5 aogositra teo. Nisy nanararaotra nibata tampoka tao anatin’ny haizina io zaza varira io. Olona maromaro naka ny zaza sady nampiasa fiara sy moto. Niezaka nanavotra ny fokonolona saingy tafaporitsaka ireo mpaka an-keriny. Tsy hita ilay zaza ka raikitra ny fikarohana. Nampandre ny fianakaviana sy ny mpitandro filaminana ny renin’ny zaza. Niroso tamin’ny angom-baovao sy fikarohana ireo nahavanon-doza ny zandary miasa ao an-toerana. “Nilaza ho nanana olana ilay raikely sy ny renin’io zaza io nandritra ny fanadihadiana savaranonando”, nataon’ny zandary. Mandray an-tanana ny raharaha kosa ny kaomisarian’ny polisy ao an-toerana noho ny fiaraha-miasa eo anivon’ny samy mpitandro filaminana.
Tsiferana R.




