Mampivarahontsana ny zava-niseho tao Mananara Avaratra, ny alin’ny 5 jolay lasa teo. Voaroban’ireo olon-dratsy ny vola mitentina 8 tapitrisa Ar sy finday maro fampiasan’ireo mpivady mpanao Cash point ao an-toerana, izay misy vola hatrany amin’ny 30 tapitrisa Ar. Novelesin’ireo mpanafika tamin’ ny hazo ny lohan’ireo niharam-boina ka naratra mafy tamin’ izany ilay vehivavy raha toa maty tsy tra-drano kosa ilay rangahy vadiny. Nifarimbona ny fokonolona nitondra ireo voatafika teny amin’ny toeram-pitsaboina, nanokatra fanadihadiana kosa ny zandarimaria.
Voamarina taorian’ny famotoran’ny mpitandro filaminana fa mpiara-monina amin’ireo lasibatra iretsy nahavanon-doza. Ankehitriny, efa voasambotra sy midoboka vonjimaika am-ponja ao Maroantsetra ireo olona dimy voarohirohy tamin’ity asan-jiolahy ity. Olona roa hafa ihany koa no mbola karohina amin’izao fotoana. Ankoatra ireo, mbola karohina ny lehilahy roa mpiray tendro amin’ireo jiolahy, izay mbola mamita sazy any am-ponja, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Henintsoa




