Maty tsy tra-drano voatifitry ny polisy ny jiolahy raindahiny nitam-piadiana tao Antaravay, Toliara, ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy, tamin’ny 11 ora. Enin-dahy no ren’ny mpitandro filaminana fa hanao fanafihana ao amin’io tanàna io. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny ekipan’ny UIR rehefa nahazo loharanom-baovao. Nikoropaka ireo olon-dratsy rehefa nahatazana ny polisy. Raikitra ny fifanenjehana. Nitifitra tamin’ny fitaovam-piadiana teny aminy ireo olon-dratsy. Namaly ny polisy ka lavo ny jiolahy iray. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny tranga nahafatesan’olona tao amin’ny tanànan’Ankalika, ny 4 aogositra lasa teo, ireo jiolahy ireo, araka ny fanazavan’ny polisim-pirenana miasa ao an-toerana. Tafaporitsaka ny dimy hafa naman’io lavo io. Mitohy ny fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana momba ireo mpanao ratsy lasa nandositra.
CMS




