Kaomisera sy Inspektera niara-maty niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Tsinjoarivo Imanga, omaly. Simba tanteraka ny fiara nitondra azy ireo.
Kaomisera miasa eo anivon’ny kaomisaria Tsiroanomandidy ny iray tamin’ireo polisy roa namoy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenana voalohany, PK 45 +200, hidirana ny tetezan’Imanga Tsinjoarivo, distrikan’i Tsiroanomandidy, omaly. Miisa efatra ireo mpandeha tao anatin’ny fiara. Tra-doza teny an-dalana rehefa niala avy any Ankadinondry nikasa hihazo an’i Tsiroanomandidy izy efa-dahy. Nentina sivily ny fiara tamin’io fotoana io. Nivadika tampoka ka potika tanteraka taorian’ny loza. Tsy nahatsiaro tena avy hatrany ny roa tamin’ireo mpandeha izay voa mafy. Namoy ny ainy teo no ho eo ny Inspektera iray. Tsy avotra koa ny ain’ilay kaomisera miasa ao an-toerana. Niezaka nanavotra ireo olona roa lahy naratra mafy ny nanatri-maso.
Tapa-tongotra
Voa mafy vokatry ny voina nahazo azy ny Inspektera iray hafa. Nakarina eny anivon’ny hopitaly lehibe iray eto an-dRenivohitra izy. “Tsy ahina ny ain’ilay mpamily nitondra ny fiara tamin’io fotoana io”, hoy ny fanazavana voaray teo anivon’ny seraseran’ny polisim-pirenena. Toarian’ny dona mafy nihatra tamin’ny fiara, niala ny moterany tamin’ny fotoan’ny loza. Avy nitsidika ny fananganana ny tobin’ny polisy ao Ankadinondry Sakay izy ireo izao niharam-boina izao. Naneho ny fiombonana alahelo amin’ny fianakavian’ny maty noho ny famoizana ireo rahalahy mpiara-miasa ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.
Tsiferana R.




