Zava-mahadomelina : 8 tapitrisa isan-taona ny maty vokatry ny fifohana sigara

Miha mahazo vahana eto amin’ny firenena ny fivarotana sigara sy paraky. Ankoatra ny sigara fahita andavanandro, maka laka tsikelikely ihany koa ny sigara elektronika. Loza ho an’ny firenena sy ny fahasalam-bahoaka nefa izy ireny.

Mahatratra hatramin’ny 1,3 miliara ny olona he­verina ho mpifoka sigara maneran-tany, raha ny antontanisa farany navoakan’ ny Organisation mondiale de la santé (OMS), tamin’ny taona 2024. 8 tapitrisa isan-taona no maty noho io fifohana sigara io. Voasokajy ho miara-miaina amin’ny olona mifoka sy miaina rivotra misy setro-tsigara avokoa ny 1,3 tapitrisa amin’ireo, raha ny tatitra hatrany. Amin’ny ankapobeny, miaina any amin’ny firenena andalam-pandrosoana sy sokajiana ao anatin’ny olona sahirana ny 80% ireo mpifoka sigara. Mpifoka sigara avokoa ny 16% ny olon-dehibe rehetra amin’ny mponina eto Madaga­sikara. 24% ny lehilahy ary 7% ny vehivavy, raha ny tatitra navoakan’ny OMS ihany. Amin’ ny ankapobeny, 11% amin’ny ta­han’ny ankizy eo anelane­lan’ny 13 hatramin’ny 15 taona no efa nanandrana sy nihinana paraky na nifoka sigara. Efa ahitana izany koa any amin’ny sekoly maro, tanora 1 amin’ny 3, ao amin’ny sekoly no miaina amin’ny toerana misy se­troka sigara.

Mahatonga aretina maro
Manodidina ny 8 300 isan-taona ny olona maty vokatry ny sigara tamin’ny taona 2017, ho an’i Madagasikara. Tsy mahafantatra ny aretina ateraky ny fifohana sigara ny ankamaroan’ny olona. Ma­no­didina ny 46% ireo tsy ma­ha­lala izany, indrindra ireo monina any ambanivohitra. Maro ny aretina azo avy amin’ ny sigara. Anisan’izany ny to­sidra, homamiadana, aretin’ ny fo sy lalandra, aretin’ny taovam-pisefoana. Manoloana izany, betsaka ny olona tsy afaka miasa noho ny aretina mahazo azy. Etsy anki­lany, misy fiantraikany goavana amin’ny firaisana ara-nofo ihany koa ny setroka sigara. Ankoatra ny sigara efa fahita andavanandro, miteraka olana amin’ny taovam-pisefoana ihany koa ny sigara elektronika.
Ho antsika eto Magasi­ka­ra, mahatratra 2 500 000 ny isan’ny Malagasy mararin’ny to­sidra, izay aretina azo avy amin’ny sigara. Azo avy amin’ ny sigara io avokoa ny 2/3 ny aretina homamiadana mahazo ny olona. Etsy ankilany, mahatonga fatiantoka goavana eo amin’ny toekarena malagasy izany. «Tsy misy tombontsoa ara-toekarena entin’ny sigara eto amin’ny firenena», hoy ny filohan’ny fikambanana Ny sahy, Randriama­mon­jisoa Haja. Manodidina ny 491 miliara Ariary isan-taona ny fatiantoka ho an’ny firenena malagasy, raha ny tatitra navoakan’ny Pnud mahakasika ny cadre des investissements.
Raha ho an’ny fambolena paraky manokana, manimba ny tontolo iainana izy io. Mandripaka ala 1ha ny fandoroana paraky 1 taonina. Mbola mitondra aretina any anatin’ny vatan’ny olombelona mikarakara ihany koa ny voly paraky. Lasibatra betsaka indrindra amin’izany, ny vehivavy bevohoka. Mety ho afa-jaza matetika ary mety tsy hampiteraka ho an’ny vehivavy mbola tsy niteraka izany.

Ilaina hamafisina ny ady
Manoloana izany, ilaina ny fanentanana ataon’ny fikambanana maro samihafa ho an’ ny ankizy sy ny tanora. Mba hisorohana azy ireo tsy hirona amin’ny fidorohana. Hamafi­sina ihany koa ny ady amin’izany.
Efa maro ny dingana vitan’ i Madagasikara hatramin’izay, toy ny fanentanana sy fanampiana ireo olona te hiala sigara ka andraisana an-tanana azy ireny. Teo koa ny fananganana ny toeram-pitsaboana manokana izay andraisana ireo mararin’ny sigara. “Tsara tohizana ny ezaka nataon’ny fanjakana amin’ity ady ity”, hoy ny fikambanana. Toy ny fiarovana ny olona amin’ny setroky ny sigara miparitaka.

 

Miteraka herisetra an-tsekoly

Zava-doza ho an’ny ankizy any an-tsekoly ny fidiran’ireo karazana zava-mahadomelina isan-karazany eto amin’ny firenena ireo. Lasibatra indrindra amin’izany ireo ankizy sy tanora tia andrakandrana sy tsy mahazaka ny voka-dratsin’izany any amin’ny sainy. Noho izany, mitarika fanaovana herisetra izany. Toy ny herisetra ara-batana sy ara-moraly eo amin’ny ankizy. Lasibatra amin’ny fivarotana sigara ny mpianatra, araka ny fanadihadiana nataon’ny eo anivon’ny fikambanana Ny Sahy, tamin’ ny taona 2023 lasa teo. Nanaovana fanadihadiana nandritra izany ny sekoly 20 teto amin’ny faritra Analamanga. Nahitana toeram-pivarotana sigara 239 ao anatin’ny 100 m manodidina ny sekoly 20. Nahitana mpivarotra manodidina ny 12 m isaky ny sekoly, raha ny fanadihadiana nataon’izy ireo hatrany. Mivarotra sigara amin’ny olona rehetra tonga mividy izany ao aminy ny mpivarotra, raha ny zava-misy. Ankoatra izay, maro ihany koa ny dokambarotra mahakasika izany. Voararan’ny didim-pitondrana 18.171, ta­min’ny taona 2003, ny fivarotana sigara amin’ny ankizy latsaky ny 18 taona sy ny fanaovana dokambarotra mahakasika izany. Nilaza ny teo anivon’ny fikambanana Ny sahy fa anisan’ny nahafoana ny sigara maro teto amin’ny Nosy ny fampiharana io didim-pitondrana io.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: