Hanangana ivontoeram-piofanana Akademia Malagasy Rugby, ny Federasionina eto an-toerana. Hatao etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka izany tetikasa vaovao izany.
Nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby (MR), omaly, tetsy Ankorondrano, fa efa ao anatin’ny tetikasa amin’ilay fananganana ny Akademia Malagasy ny taranja Rugby ny Federasionina amin’izao fotoana. Tanjona amin’izany ny hisian’ny fiofanana ho an’ireo teknisianina sy mpilalao ary noho ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara- miombon’antoka, hisy ny fampiofanana arakasa ho an’ireo izay voafantina hisehatra amin’izany tetikasa izany.
“Tanjona amin’ity akademia izay ho hatsangana ity ny fampivelarana ny tontolo rugby sy ny fampivoarana ny maha olona. Hisy, araka izany, ny fampiofanana ireo tanora, ny fambolena, ny fanjairana, ny tontolon’ny informatika. Azo antenaina fa tsy ho very mandeha intsony ny mpilalao rugby aoriana kely, fa hanana ny fahaizany manokana, ankoatra ny rugby izay ataony”, hoy ny lehiben’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel. Hanatsarana ny fijery ivelan’ireo mpilalao sy ny tontolony no hanaovana izany fiofanana arakasa izany.
Nolazain’ity filohan’ny rugby eto Madagasikara ity fa misokatra ho an’ny rehetra ny fifantenana, ary ireo olona avy eny amin’ny tanàna iva no tiana ho kendrena amin’izany. Ireo olona mahafeno ny fepetra dia ho voafantina anatin’ity ivontoeram-piofanana ity avokoa.
Fandaharanasa hafa
Ankoatra izay, nanentana ireo mpankafy ny baolina lavalava eto an-tanindrazana ny mpitantana ny rugby, Rakotomalala Marcel, mba hijery sy hanohana ireo klioba, izay mifanintsana amin’ny baolina lavalava lalaovin’olona fito hotanterahina eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny 16 sy 17 aogositra ho avy izao.
“Afaka hankafizina sy hanaovana fety, ary natao hialana voly ny fijerena lalao rugby à 7. Any ivelany, maro ireo olona mijery izany, ary mankafy ny fifaninanana tsara eny ambony kianja”, hoy hatrany R. Marcel, filohan’ny Federasionina MR.
Notsiahivin’ity tomponandraikitra voalohany ity, fa efa manana ny toerany eto Afrika sy maneran-tany mihitsy i Madagasikara amin’izany rugby à 7 izany.
Fankalazana ny faha-125 taona
Hanao fety goavana ny Rugby eto Madagasikara! Hankalazaina amin’ny famaranan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, na “Top 8”, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fankalazana ny faha-125 taona nisian’ny taranja teto Madagasikara. Araka ny fanazavana azo avy amin-dRakotomalala Marcel, hisy fampiratiana sary sy tranoheva milaza ny tantaran’ny baolina lavalava teto Madagasikara amin’izany.
Amin’ny maha fankalazana azy, hisy ny fety, ny fitokanana zava-bitan’ny Federasionina, maro, etsy Andohatapenaka.

Hatao ny 24 aogositra ho avy izao ny “Top 8”
Mialoha ny hidirana amin’ny taom-pilalaovana vaovao 2025-2026, hikarakara fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, na “Top 8”, ny Federasionina. Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao manomboka ny 24 aogositra ho avy izao izany, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Ireo ekipa valo voalohany, tamin’ny fifanintsanana “XXL Top 12” no hiatrika izany. Raha mbola azon’ny FTM Manjakaray moa ny “Top 8”, tsy misy intsony ny “Super Coupe de Mada 2025”, saingy raha ekipa hafa no mahazo azy, io klioba nahazo ny amboara io no hifandona amin’ny FTM amin’izany lalao lehibe izany.
Nanatontosa: Fitia Randria




