Andavamamba Anjezika I : Lehilahy hita faty tao anaty rano

Nahitana fatin-dehilahy efa simba tao anatin’ny lakandrano Andriantany, tetsy Andavamamba Anjezika I, omaly. Tsy nisy nahafantarana azy afa-tsy ny akanjo nanaovany sisa.

Nahatsikarika fatin’olona iray tao anatin’ny lakandrano Andriantany, fo­kontany Andavamamba Anje­zika I ireo mpaka tsikafona, omaly atoandro tamin’ny 11 ora. Nampandre ny mponina sy ny tomponandraikitra avy hatrany izy ireo. Tonga teny an-toerana ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina taorian’ny antso. Teny an-toerana nitandro ny filaminana ihany koa ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP 4 Isotry, Compagnie urbaine de la circulation ary ny polisy miasa eny Ilanivato. Tonga naka ny razana ka nanatitra izany tany amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny avy amin’ny Bureau municipal d’hygiène (BMH). Lehilahy efa tsy nisy aina intsony, manodidina ny 40 taona mahery eo, no nalaina avy tao anaty rano, raha ny fanamarihana na­taon’ny vondrona mpamonjy voina nampakatra ny razana. Efa simba tanteraka ny razana ary tsy nisy nahafantarana azy intsony ny endriny. Heverina ho efa ela no nahafaty azy tao. Lava ranjanana raha ny fahitana ny razana, nihosom-potaka tanteraka ary ny akanjo nanaovany sisa no ahafantarana azy. Raha ny fanazavan’ny mponina, mety hoe nisy namono tany ho any ary natsipy tao anatin’ny rano ity io olona maty io. Misy polisy miasa sy taxi mijanona amin’ny alina foana manodidina io toerana nahitana ny razana io. Tsy nahatsikaritra olona latsaka tao izy ireo, rehefa nanontaniana.

Mbola tsy fantatra ny havany
Hatramin’ny nanoratana omaly, mbola tsy fantatra ny havan’io maty io. Nisy olona tonga nizaha ny razana ihany teny amin’ny tranom-paty HJRA fa tsy mbola voamarina tanteraka raha havan’izy ireo na tsia, noho ny endriny efa simba. Tsy hita efa herinandro, ny lehilahy iray 48 taona, havan’ireto fianakaviana ireto, raha ny fanazavana voaray. Avy eny 67 namangy ny mamany izy io, ny zoma 1 aogositra lasa teo. Tamin’ny 3 ora tolakandro izy no niala teny ary tokony ho nandeha nody teny Ankatso, trano fonenany. Hatramin’izao, mbola tsy hita nefa ny misy an’io havan’izy ireo io.

Mino

Partager sur: