Voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy mpamaky fiara ao Mandrimena, kaominina Andoharanofotsy, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 8 aogositra teo. Nitsaitsaika nandroba ny fiara iray io lehilahy io. Novakiany ny jiro lehibe teo aloha ka nanao mora ny nangalany ny “batterie” niampy ny “auto-radio”. Tazan’ny mpiasa amin’ny toeram-pamatsiana solika ny fihetsik’io lehilahy io. Niantso mpitandro filaminana ny nanatri-maso. Niroso tamin’ny fisamborana ny zandary. Tsy afa-nandositra rahateo ilay mpangalatra. Natao ny fisavana ka nahitana fitaovana fampiasan’ilay olon-dratsy rehefa mamaky fiara teny aminy. Nentina natao famotorana ary hatolotra ny fampanaovana tsy ho ela io voasambotra io. Mirongatra ny halatra kojakoja anaty fiara tato ho ato, na atoandro na alina. Mila mailo ireo mpampiasa fiara indrindra eto an-dRenivohitra.
Tsiferana R.




