Diosezy Fenoarivo Antsinanana : Tontosa ny famehatrahana ny Mgr Marek Ochlak, Eveka vaovao

Tontosa, omaly, tao amin’ny kianja manara-penitra fanaovana baolina kitra Sahavola, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Eveka vaovao hitantana ny diosezin’i Fenoarivo Atsi­nanana. Ny Mgr Marek Ochlak no voafidin’ny Pa­pa Fransoa hitantana io diosezy io. 

Nomarihana tamin’ny alalan’ny Sorona Ma­sina izay notarihin’ny Nonce Apostolique miaraka amin’ny Kardinaly Arsevekan’i Toamasina izany. Ambohi-pihaonana faratampony teo amin’ny finoana katolika iny fihaonana iny.

Avy amin’ny fikambanana masina Obla de Marie Ima­culé, teratany Poloné ny Mgr Marek Ochlak. Ankoatra izay, filoha mpitarika io vondrom-pikambanana misy azy io ihany koa ny tenany. Tsy olom-bavao amin’ny mpino katolika eto Madagasikara ny Eveka vaovao fa efa niasa tamina diosezy maro teto amin’ny Nosy. Efa pretra tompon’ andraikitra tetsy amin’ny Notre Dame de L’orde Anjoma izy. Nisahana andraikitra tao amin’ny Apostolat de la Mer-Ampasimazava ihany koa.
Miisa telo aminy ny Eveka nitantana ny diosezin’i Fe­noarivo Antsinanana. Izy no Eveka fahatelo nitantana iny diosezy iny, taorian’ny fametrahana sy fanendrena an’ ity faritra ity ho diosezy mahaleo tena. Marihina fa voatendry ho diosezy mahaleo tena iny faritra iny tamin’ny taona 2000. Ny Eveka Tsarahazana Dési­re no Eveka voalohany nitantana. Ny Mgr Randriamamon­jy Marcellin, ny faharoa, ary izao nodimbiasin’i Marek Ochlak izao. Notendren’ny Papa Fransoa ho evekan’ny Farafangana moa Mgr Ran­driamamonjy Marcellin ka antony nanandrena an’i Mgr Marek Ochlak. Voatendrin’ny Papa Fransoa, efatr’ andro nialohan’ny fahafatesany moa izy io. Raha tsiahivina, izy no Eveka farany notendren’ny Papa Fransoa nialoha ny fahafatesany. “Ho tonga anie ny fanjakanao”, io ny teny manentana sy fanambiny amin’ny maha mpiandry ondry sy zanak’ Andriamanitra azy.

Manan-danja ny teny fanamby

Tsy niova amin’ny fomba fiteniny mahitsy, ny kardinaly Tsarazana Désiré, arsevekan’ i Toamasina, rehefa anatin’ny fotoan-dehibe tahak’izao. « Manan-danja lehibe ny teny fanambinao Mgr Marek Ochlat satria ao anatin’ny vavaka fanaontsika andavan’andro ny hoe : ho tonga anie ny fanjakanao », hoy ny kardinaly Tsarazana Désiré. Manoloana izany, mitodika amin’ny kristianina sy olom-pirenena mba tsy atao tsianjery fotsiny ny mivavaka, raha ny nambarany hatrany. Nolazainy fa tokony tsaroana amin’ny vavaka isan’ andro ny hoe : « aza atao ho azon’ny fitoaman-dratsy izahay ». Mafonja ireo vavaka ireo satria mitarika ny olona hampanjaka ny fahamarinana, fiadanana, fandriam-pahalemana, fitiavana, hatsarana jiaby eto amin’ny Nosy ihany koa izany. « Noho izany, tsy azo atao tsianjery fa tanterahina amin’ny fiainana izany vavaka izany », hoy ihany ny Kardinaly Tsarahazana Dé­siré.

Tokony hiala amin’ny ratsy ny tsirairay

Efa mahazo vahana eto amin’ny firenena malagasy ny asan’ny ratsy, ny tsy fahamarinana, ny kolikoly, ny tsy fandriampahalemana sy ny maro hafa raha ny zava-misy. Nambarany fa tokony iezaka hiala amin’ny laingalainga, fitapitaka ny olona tsirairay avy. Mpihavana avy ny rehetra ka andao hampanjaka ny fanjakan’ Andriamanitra mba ho lasa modely amin’ny fiainana. Noho izany, hialana ny fitapitaka sy laingalainga ary fiatsarambelatsihy. « Antsaha­ro ary avelao ny hevitry devoly amin’ny hoe tany tsy hangalarana tsy hivelomana, andao hibebaka», hoy ihany izy. Tsodrano ho an’ny Eveka vaovao kosa nilazan’ny kardinaly ny hoe “Benavony nafindra ho tsaratsaran’ny teo ka ho tsara kokoa noho ny nataon’ izy roa lahy teo aloha mba ho fampiroboroboana ny diosezin’ny Fenoarivo Atsinanana ».

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: