Mitohy ny fisamborana ireo mpanao ratsy. Lehilahy miisa telo, avy nangalatra kisoa voasambotry ny polisim-pirenena avy any Imerintsiatosika, afakomaly maraina. Nahatsikaritra olona nivezivezy tao Ambohijanadralambo Imerintsiatosika ny mponina. Nampiahiahy sy hafahafa ny fihetsik’ireto olona ireto, izay nilanja gony, ka nampandre ny polisim-pirenena avy hatrany ny fokonolona. Tsy niandry ela, tonga teny an-toerana avy hatrany ny ekipan’ny polisy maromaro nijery ny zava-misy. Mbola tratra teny an-toerana ireto telo lahy ireto. Natao ny fisavana ary hita tany anaty gony nentin’izy ireo, ny zana-kisoa miisa roa. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa vao avy nangalarina ireo biby fiompy ireo. Nosamborina ary noentina teny anivon’ny biraon’ny polisy ao amin’ny Poste de Police Avancé Imerintsiatosika ireo olon-dratsy ireo.
Jiolahy ikoizan’ny mponina any Ambohijanadralambo sy ny manodidina noho ny asa fangalarana ireto voasambotra ireto. Ankoatra izay, efa mpamerin-keloka ihany koa. Vao haingana, tratran’ny fokonolona nangalatra tao amin’ny saha Edena tany Imerintsiatosika ihany izy ireo.
Mino




