Nivarotra rongony teny 67 Ha: Tanzaniana naiditra eny Tsiafahy

Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny lehilahy mpivarotra rongony mahery vaika, ny zoma 8 aogositra teo. Teratany vahiny mpanamparitaka rongony mahery vaika “Cristal me­tham­phe­tamine” sady mpidoroka izany, nosamborin’ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, teny 67 Ha Avaratra, ny 6 aogositra teo. Naharay loharanom-baovao ny polisy momba ny fisiana lehilahy afrikana iray mpivarotra rongony mahery vaika eny amin’ny manodidina an’i 67 Ha. Nanara-maso teny amin’ny toerana voalaza ny ekipan’izy ireo. Sarona teo am-pihazonana karazan-drongony anisan’ny tena manimba ny tanora amin’izao fotoana tokoa io lehilahy voatondro io. Amidiny amin’ny grama ny Cristal tratra teny aminy ary efa nahazoany volabe. Nogiazana avy hatrany ireo entana namidin’io Tanzaniana nivelona tamin’ny fivarotana rongony io. Nentina natao famotorana izy ka natolotra ny fampanoavana taorian’izay. Notanana vonjimaika eny Tsiafahy miandry ny fotoam-pitsarana azy. Marihina, malaza ratsy hiparitahan’ny rongony mahery vaika eto Antananarivo Renivohitra eny 67 Ha sy ny manodidina. Matetika ireo teratany afrikanina no tompon’atoka amin’ny fanomezana ireo mpivarotra madinika. Mitohy ny ady ataon’ny mpitandro filaminana manoloana io ady io.

Tsiferana R.

Partager sur: