Notafihin’ny jiolahy : Namoy ny ainy ilay voavely “barre à mine”

Novelesin’ny olon-dratsy tamin’ny alalan’ny vy lehibe “barre à mine” teo am-panokafana varavaran’ny trano, namoy ny ainy, ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Vohidrazana, kaominina Ambatosoratra, distrika Ambatondrazaka, ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy 9 aogositra teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io ka naka vehivavy an-keriny. Nasain’ireo mpandroba nandondona tamin’ny varavaran’ny mpivarotra tsy lavitra io vehivavy io. Mody nitaraina ho marary anaka io vehivavy io ka mila mividy solika hitondrana ny zaza amin’ny mpitsabo. Namoha ny trano ilay rangahy ka nozeran’ireo olon-dratsy tamin’ny vy avy hatrany. Tsy nahatsiaro tena ilay lasibatra sady vaky ra.
Noteren’ireo jiolahy telo hamoaka ny vola ilay renim-pianakaviana narary teo ambony fandriana. Nilaza ho tsy nahalala ny nasiam-badiny ny vola io ramatoa io. Tetsy ankilany, tafaporitsaka ilay vehivavy nalain’ireo jiolahy an-keriny tao amin’ny tokantrano iray voalohany. Nam­pan­dre ny fokonolona ity farany. Niro­dorodo namonjy ny tokantrano voatafika ny vatan-dehilahy kinanjo efa nandositra ireo mpandroba. “Nentina namonjy toeram-pitsaboana ilay raim-pianakaviana naratra saingy tsy tana ny ainy”, hoy ny fanazavan’ny zandary miasa ao Ambaton­drazaka. Tsy nahazo na inona na inona tao amin’ny tokantrano voaroba ireo jiolahy.

Tsiferana R.

Partager sur: