Voatifitry ny polisy : Jiolahy niarina tao amin’ny tranom-paty

Jiolahy miisa efatra voatifitry ny polisy tao Toamasina ka voalaza fa namoy ny ainy avokoa, afakomaly alina. Tovolahy 17 taona iray tamin’ireo jiolahy, niarina tampoka tao amin’ny tranom-paty.

Hagagana ny an’ny rehetra teo anoloan’ny tranom-patin’ny Hopitaly Be Toamasina, omaly. Jiolahy miisa telo hita faty tao amin’ny tranom-paty ny maraina raha toa ka efatra no nolazain’ny polisy. Tsy tapitapitr’izay ane­fa, re indray fa misy tovolahy maratran’ny balan’ny polisy halina tsaboina ao amin’ny sampana vonjy taitra. Rehefa namarinina tamin’ny alalan’ny fanadihadiana, ilay tovolahy fahefatra tamin’ireo lazain’ny polisy fa matin’ny balan’izy ireo io lehilahy io. “Tsy mahay manavaka ny tena maty sy maratra mafy fotsiny ve…?”, hoy ireo niady hevitra tetsy amin’ny Hopitaly Be. Tonga tao amin’ny sampana vonjy taitran’ny hopitaly noho izany, ny polisy. Naka ilay tovolahy ka nitondra azy any amin’ny hopitaly manara-penitra Mora­feno hanohizana ny fitsaboana, raha ny loharanom-baovao. Nohamarinina tao amin’ny hopitaly manara-penitra, mbola ao tokoa io lehilahy misy diam-bala io hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra na tsy neken’ny polisy aza ny mpanao gazety mba haka  sary an’ilay naratra. Tetsy ankilany, nanamafy ny polisy fa voatifitra avokoa ireo jiolahy efatra ary namoy ny ainy.

Niarina, nanosika ny varavarana

Taitra ary nahatsiaro tena tao amin’ny tranom-paty nampidiran’ny polisy azy ireo, io lehilahy iray tamin’ireo voatifitra io, araka ny fanadihadiana natao. Nitsangana na dia tao ambanin’ ireo namany telo lahy aza no nisy azy. Na­nosika ilay varavaram-by ka tafavoaka, nananika ny vavahady vy an’ny tranom-paty ary mbola nananika ihany koa ny tambohon’ny hopitaly avy ety an­drefana hamonjy fodiana any amin’ny tetezana mainty ilay tovolahy vao 17 taona ity. Hitan’ny mpitondra Bajaj izy efa mihosin-dra, noheverin’ ity tsara sitrapo ity ho olona voaendaka  tany ho any ka nalainy sy nateriny tao amin’ny sampana vonjy taitran’ny Hopitaly Be. Tamin’ny 12 ora sy 58 minitra alina izy no nanomboka noaraisin’ny mpitsabo. Marihina, nisy jiolahy miisa enina nifanehatra tamin’ ny polisy tao amin’ny fokontany Mangarano II, afakomaly alina.

Sajo

Partager sur: