Ao anatin’ny vanim-potoana fialantsasatra tanteraka isika izao. Maro ny fitsidihana ataon’ireo mpizahatany, vahiny sy avy eto amin’ ny firenena, amin’ izao fotoana izao. Efa nivonona amin’i zany ny tomponandraikitra isan-tokony, solontenam-panjakana any amin’ny renivohitra ara-toekaren’ i Madagasikara.
«Omena endrika vaovao handraisana vahiny mpiala sasatra sy mpizahatany ny renivohitr’ i Toamasina, amin’ ity taona 2025 ity, ary hitohy izany mandritra ny fotoam-pitantanany”, hoy ny ben’ny Tanan’i Toamasina ambonivohitra, ny mpitsara Andriafanomezantsoa Alain. Nambarany fa ao anatin’ny ainga vao ho an’ny renivohitr’ i Toamasina isika izao. Anisan’izany ny fanokafan-dalana isaky ny lalampasika izay tsy tafiditry ny fiaraben’ny mpamonjy voina, mba hahafahan’ny fiaran’ny mpivahiny miditra. Asiana fanarenana haingana ihany koa ny tatatra eny amin’ny sisin-dalana. Mitondra ratra ho an’ny mpandeha an-tongotra ny tatatra simba. Asiana mpanara-maso ny eny amoron-dranomasina sy ny lakandrano mba hisorohana ny loza mety hitranga. Ankoatra izay, hampanarahan-dalàna ireo karazam-pitaterana an-drenivohitra, toy ny Bajaj sy ny posy, mba tsy hisoloky na handroba indray ny mpandeha entiny. Entanina ihany koa ny rehetra hanadio ny manodidina azy. Tanjona ny haha tanàna madio sy marevaka ary maha te honina ny toerana hovantanin’ny mpivahiny sy ny mpizahatany. Ankoatra izay, ezahina ho fenoina jiro isaky ny elakelan-trano mba ho Toamasina mazava sy milamina. “Vitaina haingana, araka izay azo atao, ny lalana béton mamakivaky ny tanànan’ i Toamasina mba tsy hanimba ny fiaran’ireo vahiny”, hoy hatrany izy. Anisan’ny ben’ny Tanàna manana fanamby miavaka manoloana ireo ben’ny Tanàna rehetra nifandimby tao an-drenivohitr’i Toamasina ny mpitantana ankehitriny.
Arindra miaraka amin’ny fandriampahalemana
Mila mifanindran-dalana amin’ny fandriampahalemana ho an’ny vahoaka tsy mandadiharona izany ezaka rehetra izany. Efa nampahatsiahy ny mpitadro filaminana fa hanao ny asany izay hiandraiketany manoloana ny fikarohana ireo mpandika lalàna rehetra. “Ezahina ny fomba hanaovana famotorana ireo voampanga, hifanaraka amin’ny fanajana ny zon’olombelona”, hoy ny lehiben’ny mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, Vahiny Yvi Sandro, ny 4 jolay lasa teo. “Aoka mba tsy hiverina intsony ireny tsy fandriampahalemana ka nahatonga ny mpikambana amin’ny governemanta notarihin’ny praiminisitra nidina teto ireny”, hoy izy nanamafy. Ametrahana mpitandro filaminana avokoa ireo toerana izay betsaka mpitsangantsangana. “Hisy ihany koa ireo hivezivezy hanara-maso eny rehetra eny, izay manao fanamiana sivily”, hoy kosa ny Prefet, Benandrasana Cyril, lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy filaminana OMC (Organisation mixte de conception).
Lalam-pirenena fahadimy, ratsy ny lalana
Nilaza sy nanamafy ireo mpivahiny fa mbola ratsy ny lalana mankany Mahavelona Foulpointe. Nisafidy ny hijanona hatreo Toamasina izy ireo noho izany. Efa tsy dia hatahorana rahateo ny filomanosana ny ranomasina noho ny fisin’ ireo fiaro riaka misy “dalots”. Hatreto mbola tsy vita anatin’ny adim-pamataranandro efatra ny halaviran-dalana 50 kilometatra, Toamasina – Foulpointe. Raha fiara kelikely sy iva moa dia mety ho raikitra amin’ny fotaka eny an-dalana. Nandritra ny fanadihadiana natao hatrany, nilaza ny ben’ny Tanàna, Andriafanomezantsoa Alain, fa tsy azo ataon’ny ankizy ny milalao irery eny amin’ny ranomasina sao mampidi-doza. Tanjona ny ho fialantsasatra lavitry ny voina anatin’ny Ainga vao ho an’i Toamasina renivohitra.

Hipoka mpiala sasatra i Toamasina
Amin’ny ankapobeny, efa saika feno mpitsangantsangana eny amoron-dranomasin’i Toamasina, amin’izao fotoana izao. Miezaka manao ny fanatsarana ny endriky ny tanàna sy fanadiovana ny ben’ny Tanàna. Mipetraka ny fiarovana ireo mpitsangantsanana manoloana ny ranomasina sy ny ranomamy. Anisan’ny olana ny eo amin’ny toetr’andro miovaova satria tsy hay tohaina ny ora-mikija. Anisan’ny manome vahana izany rahateo ny fotodrafitrasa fiarovana ny morontsiraka tsy ho kaohan’ny ranomasina. Maro, araka izany, ny fahitana vatobe “Dalos” manodidina ny morondranomasina. Nanorina izany ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tafiditra ao anatin’ny fanitarana ny seranana rahateo izany. Vokatr’ireo, lasa mihena ny herin’ny onja ary azo ilalaovana sy hilomanosana tsara tsy lavitr’ireo fotodrafitrasa ireo. Miisa efatra izany eny amoron-dranomasina ary mitandavana mankany amin’ny 500 metatra anaty ranomasina. “Betsaka ny fotodrafitrasa nomen’ny filohan’ny Repobika, Rajoelina Andry, ho an’ny vahoaka any amin’iny faritra Atsinanana iny, toy ny misy any amin’ny renivohitr’i Toamasina”, hoy kosa ny governoram-paritra mpisolo toerana, Rakotovao Andry. Vonona handray vahiny ny ao amin’ny Miami, izay ahitana karazan-javatra maro azo isafidianana. Etsy ankilany, ny “jet d’eau” izay miovaova loko, ny varotra asa tanana ary ireo karazan-javatra azo atao voandalana.
Fa manoloana ny fahapoizinana ara-tsakafo nahazo olona maro teto amin’ny Nosy, hita ho mitandrina be ny mpanjifa ireo sakafo masaka, toy ny paty sy mofo, raha ny zava-misy any an-toerana. Tsy misalasala kosa ny olona manjifa ny vatomamy vita amin’ny coco sy ny fisotroana ny ranony.
Nanatontosa : Sajo




