Nivadika ny fiarabe mpitatitra iray noho ny hamamoan’ny mpamily nitondra azy tany Antsoatany. Maty voatsindry tao ny mpitondra bisikileta iray.
Namoy ny ainy ilay raim-pianakaviana nitondra bisikileta voatsindrin’ny kamiao tao Antsoatany, kaominina Antsirabe, afakomaly. Nisotro zava-mahamamo ny mpamily ka tsy tompon’ny tenany intsony rehefa nitondra io kamiao io hiakatra an’Antananarivo, araka ny fanadihadian’ny zandarimaria. Nihazo ny lalam-pirenena fahafito, nifaoka tampoka ilay mpitondra bisikileta ny fiara nentin’ ilay lehilahy 72 taona. Nivadika ny fiara ka voatsindry nandritra io loza io ny mpitondra bisikileta iray. Nikoropaka ireo nanatri-maso ka nisokitra an’ ilay niharan-doza tao ambanin’ny kamiao. Nifamonjena izy saingy efa tsy tana intsony ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Ankoatra io, olona roa hafa naratra nandritra ny loza. Mpitondra bisikileta ny iray raha toa ka olona tao anatin’ny fiara ny faharoa. Nentina namonjy ny hopitaly CHRR Antsirabe ireto farany. Notanana vonjimaika natao famotorana ny mpamilin’ny fiara. Voamarin’ny mpitandro filaminana rahateo fa tena mamo tokoa io lehilahy io nandritra ny fotoan’ny loza. Tsy miaraka velively ny familiana sy ny fisotroana ka manentana hatrany ny mpampiasa fiara sy moto hitandrina ny mpitandro filaminana.
Olona am-polony naratra
Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray hafa ihany koa tany amin’ny lalam-pirenena fahafito, tany Ambohimanjaka Andavatapia, disitrak’Ambositra, faritra Amoron’i Mania, omaly atoandro tamin’ny 11 ora. Nifandona teo amin’ny fiolahana iray hiditra an’Ambohimanjaka ny fiara fitateram-bahoaka marika sprinter iray sy ny fiarakely marika peugeot 205. Avy any Antsirabe, hihazo an’Ambositra io fiara mpitatitr’olona io, ka izao nanao loza izao. Raha ny tatitra voaray avy any an-toerana, niala lalan-dratsy ny mpamilin’io fiara io ka nifandona tamin’ny fiarakely iray nifanoha-dalana taminy. Vokatry ny hamafin’ny dona, olona 20 mahery naratra ary efa nentina namonjy toeram-pitsaboana avokoa. Tsy nisy kosa ny olona namoy ny ainy tamin’ity loza ity. Nanamafy ny tomponandraikitra fa ilana fitandremana hatrany ny fitondrana fiara mba hisorohana ny loza tahaka izao.
Tsiferana R. /Mino




