Fandrobana eny amin’ny RN2: Olona valo voasambotra

Tambajotran-jiolahy mpandroba fiara mpitatitra entana eny amin’ny lalam-pirenena faharoa ravan’ny zandarimaria miasa ao Moramanga, omaly. Nalain’ny olon-dratsy ny entana nentin’ny kamiao iray niala avy ao Toamasina nikasa hihazo an’Antananarivo, ny alin’ny 11 hifoha ny 12 ao­go­sitra teo. Very tamin’izany ny entana sarobidy tao anatin’ny fiara, teo anelanelan’i Moramanga sy Ampasimpotsy Gare. Nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny tompon’entana lasibatra. Olona roa voasambotra voalohany rehefa nahatrarana ny entana very. Natao famatorana ireo olona ireo ka niaiky tokoa fa nangalarina ireo entana. Nitoroka ny mpiara-miasa taminy ireo mpandroba. Tafakatra 8 ireo jiolahy notanan’ny zandarimaria. Naverina amin’ny tompony avokoa ireo entana very tao­rian’io. Tsiahivina, manararaotra ny haratsin’ny lalana ireo mpangalatra rehefa mandalo ny fiara. Taksiborosy, fiara mpitatitra entana tsotra hanamparan’izy ireo ny asa ratsiny avokoa rehefa sendra azy.

Tsiferana R.

Partager sur: