“Raharaha Ambohimalaza” : Horaisina an-tanana ny havan’ny maty

Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry teny Iavoloha, omaly, ny fianakavian’ireo niharam-boina tamin’ny “Raharaha Ambohimalaza”. Nihaino ny fitarainana sy ny fangatahan’izy ireo ny filoha tamin’izany.

Nambaran’ireto fianakaviana nanana ny niharam-boina ireto nanoloana ny filohan’ny Repoblika ny hetahetan’izy ireo, ankoatra ny raharaham-pitsarana sy ny fitsaboana.
Misy amin’izy ireo namela ny fitadiavany noho ny fitsaboana ireo marary. Teo koa ireo lasa mananotena tsy fidiny nefa mbola mitondra vohoka sy mitaiza kely. Ao ireo lasa kamboty. Manampy izany, ireo very andry iankinana satria misy amin’ireo tanora nindaosin’ny fahafatesana no teo am-pamaranana ny fianarany. Tapaka nandritra ny fihaonana fa ha­tsangana ny vaomiera eo anivon’ny Fiadi­diana ny Repoblika hijerena ny ahafahana manampy ireo fianakaviana tsirairay. Notsi­pihin’ny filoha Rajoelina Andry fa harahiny akaiky ny asan’ity vaomiera ity sy ny fa­natanterahana ny fanapahan-kevitra raisina rehetra.
Nanterin’ny fianakaviana fa tsy mitovy avokoa ny tranga mahazo azy ireo sy ny filany tsirairay avy.
Fanohanana ara-tsaina ireo fianakaviana
Anisan’ny ataon’ny fitondram-panjakana koa ny fanohanana ara-psykolojia ireo fianakaviana ireo. Anisan’ny te­na mafy amin’izy ireo ny vesatra ara-tsaina sy ara-pihetseham-po mihatra amin’izy ireo.
Etsy andaniny, anisan’ny nitarainan’ireo fianakaviana ny momba ny fanodinkodinana sy familiviliana ireo vaovao ma­hakasika ity raharaha ity.
Nambaran’ny filoha teo am-pamaranana ny fihaonana fa reny daholo ny fitarainana sy ny fangatahana rehetra. “Tsy irery ianareo fa eto aho ary hanao ny ezaka rehetra hanampiana anareo. Ezahin­tsika ny hameno ny tsy ampy. Tsy misy ny tonga lafatra fa eza­hintsika ahitsy ny tsy mety”, hoy izy. No­hitsiny fa aleo hipoitra ny marina. Man­deha haingana be ny tambajotran-tserasera, araka ny nambarany. “Misy ny mandainga. Efa mandeha ny fanadihadiana ka tsy manana tombony handainga amin’izany isika”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: