Nidina ifotony nanao fanentanana ny mponina tany Mangily Toliara II, mahakasika ny ady amin’ny zava-mahadomelina, ny polisim-pirenena, ny 13 aogositra teo. Faritra anisan’ny tena ahitana rongony « cannabis » na jamala, izay fahita matetika eto Madagasikara, ny any Toliara. Tsy mijanona fotsiny amin’ny fanenjehana an’ireo olona tompon’antoka amin’ny fivarotana sy fanapariahana azy ireny ny Polisim-pirenena manerana ny Nosy.
Ho an’i Toliara manokana, nentanina mahakasika ny ady atao amin’ny fidorohana io rongony io ny mponina. Nampahafantarina ireto farany ny loza ateraky ny fidorohana ny «jamala», ny fiantraikany eo amin’ny fiainam-piarahamonina ary ireo sazy mifanaraka amin’ny lalàna misy ho an’izay manao izany. Toerana sy tanàna maro no notetezina nanaovana fanentanana, anisan’izany, ny tao amin’ny fokontany Mangily, kaominina ambanivohitra Belalanda, distrika Toliara-II. Nisahana ny fanentanana tamin’izany ny sampandraharaha misahana izany sy ny avy amin’ny Brigade féminine de proximité ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsimo Andrefana.
Mino




