Mpatory an-dalana : Ramatoa hita faty tetsy Anosibe

Nahitana fatim-behivavy iray manodidina ny 60 taona eo ho eo tetsy Anosibe Andre­fana II manoloana ny assurance Mama, omaly tamin’ny 6ora maraina. Olona hivarotra vao maraina no nahita olona natory ary efa tsy misy aina intsony, ka nampandre ny tomponandraikitra. Raha ny fitantaran’ny olona teny amin’
ny manodidina, mpatory an-tse­na ary mifindrafindra toerana hatoriana io vehivavy maty io. Tsy manana trano izy ary toy ireny 4 mi mpatory an-da­lana ireny. Heverina ho matin’ny hanoanana sy ny hatsiaka no antony nahafaty azy, raha ny fanazavana voaray hatrany. Mbola hitan’ny olona nandehandeha teny amin’ny ma­nodidina an’Anosibe izy io, afakomaly.
“Olona tsy avy eny amin’ny manodidina io ramatoa io. Tsy misy mahafantatra azy koa ny mponina sy ny mpandalo rehetra”, hoy Randria­niaina Herimanana Jacquis, Filoha lefitra eo anivon’ny fokontany Anosibe Andrefana II. Nambarany hatrany fa tsy fantatra mazava ny antony na­hafaty azy, tsy nahitana ratra ny vatany, olona narary efa ela izy raha ny fahitana azy. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny avy amin’ny fokontany. Teny an-toerana ihany koa ny avy amin’ny polisim-pirenena CSP 5 Mahama­sina. Mbola tsy nahita io razana io kosa ny mpamafa lalana tamin’ny 4 ora maraina sy ireo mpanatitra elo teny an-toerana, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Mino

Partager sur: