Ambodin’Isotry: Ramatoa tratra nanendaka

Miandahy miambavy ny fanaovana asa ratsy, indrindra eto an-dRenivohitra, amin’izao fotoana. Vehivavy 50 taona nosamborin’ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny CSP4 teny Ambodin’Isotry, ny zoma 15 aogositra teo. Maro olona mifamezivezy, hanjakan’ny tontakely toy ny mpanao sinto-mahery sy mpanataka poketra amin’ny lame, iny toerana iny. Niharan’izany ny vehivavy iray ka lasan’ireo olon-dratsy ny poketrany, teny amin’ny Aigle Noir. Niantso vonjy sy niangavy tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny an-toerana tamin’io fotoana io, ny lasibatra. Nanao ny fanarahan-dia ilay mpanendaka ny polisy ka tratra teny amin’io vehivavy io ny poketra. Nanamafy rahateo ny lasibatra fa io vehivavy io no naka an-keriny ny poketra teny aminy. Nentin’ny polisy natao famotorana ilay ramatoa. Marihina, matetika miara-miasa ireo vehivavy sy lehilahy mpanao ratsy ary efa manana teti-dratsy maty paika hanaovana izany asa ratsy izany izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: