Lozam-pifamoivoizana: Olona fito namoy ny ainy

Niseholany ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo. Olona miisa fito namoy ny ainy.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tany amin’ny tetezana Ihazomay, fokontany Fanjakamandroso, kaominina ambanivohitra Ankadinondry Sakay, ny zoma tamin’ny 10 ora alina lasa teo. Nikasa hi­songona kamiao tao anaty fiakarana ny fiara sprinter iray manao zotra nasionaly mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Ambositra. Nandeha mafy izy saingy nisy fiara nifanena tampoka avy any ambony, izay hihazo an’i Tsiroano­man­­didy. Nitsako ny hisatra io fiara sprinter io ary maty ny motera. Noho izany, nihemotra ary nivarina tany anaty han­tsana avy ao ankaviany ny fiara niaraka tamin’ireo mpandeha 27 tao anatiny. Vo­kany, olona roa maty tsy tra-drano nandritra ny loza. Na­moy ny ainy tany amin’ny ho­pitaly kosa ny roa hafa. Nahi­tana renim-pianankaviana iray, raim-pianankaviana roa ary ankizilahy ny iray hafa. Ankoatra izay, mahatratra 23 ireo naratra mafy ka nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana tao amin’ny CSB II Ankadinondry Sakay. Tsy main­tsy nakarina hopitaly tany amin’ny CHRR Bongolava ny enina tamin’izy ireo noho ny fahasarotana. Anisan’ny na­ra­tra ihany koa ny mpamily sady tompon’ny fiara, 50 taona. Avy ao amin’ny kaominina Belo­baka avokoa ireo olona na­moy ny ainy ireo.

Kamiao tra-doza

Nosokirina teo amin’ny toeran’ny familiana ny mpamily kamiao tra-doza 5 km tsy hi­dirana an’i Toamasina, ny sa­botsy 16 aogositra teo. Ni­ainga avy aty Antananarivo io kamiao io. Nidona mafy ny fiara ka niteraka ny loza. Tsy tana ny ain’ny mpamily. Ankoatra ireo, maty vokatry ny dona mafy nahazo azy koa ilay tovovavy nitondra bisikileta voafaokan’ny fiara teny amin’ny RN7, Antanivao, fo­kontany Tsaravavaka, kaominina Andranomanelatra, distri­kan’Antsirabe II, ny 14 aogositra teo. Niampita tampoka io vehivavy nitondra bisikileta io ka niala izany ilay taksiborosy. Nipitika tamin’ny arabe ilay to­vovavy. Nentina toeram-pitsaboana saingy tsy avotra intsony. Miantso ny mpamily mba hanaja ny lalàn’ny fifamoivoizana hatrany ny mpitandro fi­laminana, mba hisorohana ny loza tahaka izao.

Mino/Tsiferana R.

Partager sur: