Nivarotra «Méthamphétamine » : Lehilahy naiditra eny Tsiafahy

Nahatrarana Méthamphétamine 10 kg mahery teny Ampasampito, nalefa any Tsiafahy ny lehilahy iray taorian’ny fampanoavana.

Niakatra fampanoavana ny sabotsy 16 aogositra lasa teo, notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, ilay lehilahy mpiva­rotra zava-mahadomelina mahery vaika. Voasambotry ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina teny Ampasampito Ambohimirary io lehilahy io, ny 12 aogositra lasa teo. Naharay loharanom-baovao marim-pototra ny polisy. Nanao ny vela-pandrika ka tratra io mpivarotra méthamphétamine io. Natao ny fisavana azy ka na­hitana io karazan-drongony io, milanja 10 kg mahery, teny aminy. Amidiny amin’ny grama io zava-mahadomelina mahery vaika io ary ahazoany an-tapitrisany mihitsy. Natao fa­nadihadiana savaranonando. Nilaza ny mpamatsy azy ilay lehilahy.

Karohina

Teratany vahiny no hangalan’io lehilahy io ireo entana ireo. Karohin’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana ilay mpamatsy sy mpanaparitaka izany eto an-dRenivohitra. No­giazana ny Méthamphétamine tratra teny Ampasampito ary natolotra ny fampanoavana ilay mpivarotra. Niafara amin’ ny fihazonana vonjimaika
am-ponja izany. Marihina, enje­hin’ ny lalàna ary iharan’ ny sazy henjana ireo minia manaparitaka zava-mahadomelina sy mivarotra izany eto Madagasi­kara. Tsiahivina, Tanzaniana iray tratran’ny polisy teny 67 Ha nivarotra io karazan-drongony io, ny herinandro lasa.

Tsiferana R.

Partager sur: