Niampita arabe tampoka, voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana ny ankizy iray 9 taona, tao Ambohimanatrika, kaominina Manjakandriana, ny harivan’ny alahady 17 aogositra lasa teo. Nentina teratany vahiny io fiara 4X4 io. Tsy nanampo na inona na inona ny mpamily, kinanjo nanapaka tampoka niampita io zaza io. Voadona ilay zaza. Namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy. Natsahatr’ireo nanatri-maso avy hatrany ny fiara. Nosakanan’izy ireo tsy hihetsika ary niantso mpitandro filaminana ny fianakavian’ny lasibatra. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny ekipan’ny kaomisaria Manjakandriana. Naiditra am-balam-pamonjana ny fiara. Nohazonina natao famotorana kosa ilay teratany vahiny namily io fiara io. Hatolotra ny fampanoavana izy aorian’izay. Tsiahivina, saika itrangana lozam-pifamoivoizana hatrany, isan’andro, eny anivon’ireo lalam-pirenena. Fotoam-pialantsasatra rahateo izao ka maro ireo mpivezivezy kanefa misy ny tsy mitandrina.
Tsiferana R.




