Nahitana fatin-dehilahy iray tao anatin’ny rano manamorona an’i Masay, omaly maraina. Tsy fantatra ny fiaviany, tsy nisy nahalala ihany koa ny manodidina.
Nahatsikarika fatin’olona iray tao anatin’ny rano manamorona an’i Masay ny olona teny amin’ny manodidina, omaly tamin’ny 7 ora sy fahatelony maraina. Nampandre ny mponina sy ny tomponandraikitra avy hatrany izy ireo. Tonga nijery ny zava-misy ny avy amin’ny polisy miasa eo amin’ny Rond point Andranobevava. Teny an-toerana nitandro ny filaminana ihany koa ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP 8 Analamahitsy sy ny Brigade Criminelle. Tonga naka ny razana ary nanatitra izany any amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny avy amin’ny Bureau Municipal d’Hygiène (BMH) Isotry.
Lehilahy efa tsy nisy aina intsony, manodidina ny 45 taona mahery teo no nalaina avy tao anaty rano. Efa natsingevan’ny rano ny razana, raha ny zava-misy teny an-toerana.
Hatramin’ny nanoratana omaly, mbola tsy nisy nitonona ho havan’io maty io. Tsy fantatra ny mombomomba azy ary tsy fantatra ny fiaviany. Tsy mponina eny an-toerana izy satria tsy misy mahafantatra azy ny olona tonga nijery teny an-toerana.
Olona roa hita faty teny an-dalana
Lehilahy roa hafa hita faty teny an-dalana tamin’ny toerana roa samy hafa, omaly. Hitan’ny fokonolona nitsirara tao amin’ny fokontany Tsarafaramiadana, kaominiana Ambohimandry, distrikan’Arivonimamo, ny lehilahy iray, omaly atoandro. Tsy nahitan’ireo nanatri-maso taratasy mirakitra ny mombamomba azy io olona hita faty io. Nanao akanjo miloko fotsy misy soratra “Toby Masina fifankatiavana” izy tamin’ny fotoana nahitan’ny fokonolona ny vatana mangatsiakany. Nandray an-tanana avy hatrany ny mpiasa eo anivon’ny kaominina ao Ambohimandry. Ankoatra io, raim-pianakaviana mananika ny faha-75 taona koa hita nitsirara tao Maharidaza, manamorona ny lalam-pirenena faharoa, omaly maraina. Tsy nisy nahalala io lehilahy io ireo mponina manodidina tamin’ny fotoana nahitana ny vatana mangatsiakany. Nentina nihazo ny CSB ao Carion ny nofo mangatsiakan’ilay rangahy. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty ireo olona voalaza rehetra ireo. Marihina, tsy nahitana ratra na vono ny ankamaroan’ireo olona sasany hita faty amin’izao fotoana. Mety ho matin’ny hanoanana na areti-mitaiza izy ireo.
Mino /Tsiferana R.




