Nivonto maso sy tarehy ny vehivavy iray niharan’ny fanolanana sy vono nataon’ny efa-dahy tao Antatamokely-Ampatsakana, kaominina Ankazobe, ny alahady teo. Tratra avokoa ireo nahavanon-doza.
Nalemy, vaky loha sady nivonto ny tata-masony roa an’ny vehivavy iray niharan’ny fanolanana sy vono tao Antatamokely-Ampatsakana, fokontany Ankazobe I, kaominina Ankazobe, ny alahady 17 aogositra teo, tamin’ny 11 ora sy sasany. Nahatsikaritra ra niraraka tamin’ny tany tsy lavitry ny trano vao an-dalam-panamboarana iray tao anatin’io fokontany io ny mponina. Vehivavy iray naratra mafy hita tao anatin’io toerana io. Nalemy tanteraka ny vatany ary mbola nahatsiaro saina izy. Nampandre ny zandarimaria avy hatrany ny sefo fokontany ao Ankazobe I. Nanao ny fanadihadiana ireo tomponandraikitra ary nozahana ny fahasalaman’io vehivavy io. Niharan’ny fanolanana ity farany sady nodarodarohan’ireo tsy mataho-tody. Naratra mafy ny faritry ny lohany ary nivonto sy mangana ny masony.
Tsy afa-niala ireo efa-dahy
Taorian’ny angom-baovao nataon’ny mpitandro filaminana, voamarina fa niharan’ny fanolanana tambabe io vehivavy vao 25 taona monja io. Nisy tamin’ireo nahavanon-doza nanararaotra namono azy. Na izany aza, afaka nilaza ireo olona nahavanon-doza taminy ity farany. Niroso tamin’ny fikarohana ireo voatonona anarana ny zandary. Vokany, miisa efatra ireo voasaringotra tamin’io raharaha fanolanana io. Nandray anjara mivantana tamin’ny fanamparana ny filan-dratsiny tamin’ilay vehivavy izy ireo. Nentina natao famotorana avy hatrany ka notanana vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja. Mponina avy amin’ny fokontany manodidina avokoa izy ireo. Nentina namonjy toeram-pitsaboana manaraka fitsaboana kosa ilay vehivavy lasibatra.
Tsiferana R.




