Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambony, any Mananjary, afakomaly, ireo olona valo voarohirohy ao anatin’ny tambajotra mpaka an-keriny zaza varira. Vokany, naiditra vonjimaika am-ponja avokoa izy rehetra, taorian’izay. Voasambotra ny 16 aogositra 2025 lasa teo, tany Ambalahosy Avaratra, distrikan’i Mananjary, ny olon-dratsy miisa enina, raha toa ka efa voasambotra sy naiditra am-ponja ny 11 aogositra 2025 lasa teo ny jiolahy roa hafa.
Tsiahivina fa nalain’ireo olon-dratsy an-keriny, ny alin’ny 06 aogositra 2025 lasa teo, tany Soafiadanana Marofinaritra, Kaominina Ambonivohitra Mananjary, ny zaza varira iray. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny polisim-pirenena vantany vao nahare ny tranga. Voasambotra, tamin’izany, ny olona roa mpiray tsikombakomba tamin’io fakana an-keriny io. Naiditra vonjimaika am-ponja ny 11 aogositra 2025 lasa teo izy ireo, taorian’ny fiakarany fampanoavana. Nanonona ireo mpiray tsikombakomba aminy ireo olona roa voasambotra ireo nandritra ny famotorana natao taminy. Nitohy ny fikarohana ka nahafahana nisambotra ireo olona enina ambiny. Efa nikasa ny hitondra ilay zaza varira hiampita renirano tany Ambatoseza ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Nisy ny loharanom-baovao voarain’ny polisy nampahomby ny hetsika. Nisy koa ny fiaraha-miasa teo amin’ny zandary ary notohizan’ny polisim-pirenena ny famotorana ireo voasaringotra rehetra. Marihina fa avotra soa aman-tsara sy tafaverina amin’ny fianakaviany ilay zaza varira saika halaina an-keriny.
Mino




