Olona tsy latsaky ny sivy no voakakitry ny alika tao amin’ ny kaominina Miary, distrikan’i Toliara II, hatramin’ny omaly. Alika iray mirenireny an-dalambe io nanaikitra olona io ka nivoa-dra izay tratrany. Misy olona hafa koa, efa niharan’ny kaikitr’alika saingy alika hafa loko sy karazana. Manahy amin’ ny mety hisian’ny alika romotra ao an-toerana izy ireo. Hatreto, tsy mbola nisy ny fanamarinana raha toa ka tranga haromotona ity miseho ao an-toerana ity. Ny mpitsabo irery ihany rahateo no afaka manamarina izany. Na izany aza, nifanenjehan’ny olona ary novonoin’izy ireo ilay alika niteraka korontana sy nampatahotra ny olona, omaly. Tsy mifidy amin’ny faritry ny vatana hokaikerina ireo alika heverin’izy ireo ho romotra ireo fa manaikitra avy hatrany amin’izay mifanitsy ny vavany.
Marihina, anisan’ny mitarika aretina ny kaikitr’alika tsy vita vakisiny sy misy haromotana ka ilaina ny fitandreman’ny tsirairay manoloana azy ireny.
Tsiferana R.




