Tsy nahaloa vidin-tsakafo: Voasambotra ilay teratany frantsay

Tratra ihany rehefa niafina nandritra ny andro vitsivitsy ny lehilahy teratany frantsay 42 taona. Nanjifa tamin’ny toeram-pisakafoana iray tao Toamasina izy, ny 14 aogositra lasa teo. Nitsoaka avy hatrany avy eo satria tsy nahaloa ny vidin-tsakafo nohaniny. Hitan’ny mpaka fasika teo ambany tetezana Analamalotra, kaominin’Antetezambaro, Toamasina II, izy io ny 14 aogositra lasa teo. Nitondra moto izy ary nijanona teo ambany tetezana. Nilaza ny handeha hilomano ao amin’ny ranomasina. Niandriandry teo nandritra ny minitra vitsy ary nitsoraka tao anaty rano avy eo. Navelany teo kosa ny moto sy ny taratasy manamarina izany. Tsy nipoitra intsony anefa izy, natahotra ny nanjavonany ny olona teny amin’ny manodidina. Nampandre ny mpitandro filaminana ny tomponandraikitra. Raha ny fantatra, nody tany amin’ny vadiny izy ny 15 aogositra hariva. Novonoiny sy nodarohany koa nefa io vehivavy vadiny io, izay teratany malagasy (17 taona). Nanao fikarohana ny zandary ka tratra tao an-tranony ilay teratany vahiny. Nitsoaka izy nefa tratra ihany ary nentina eny anivon’ny biraon’ny zandary hiatrika fanadihadiana.

Mino

Partager sur: