Nariana amoron-dalana : Ankizilahy hita faty tapa-doha

Niosin-dra tanteraka ary tsy nisy loha intsony, ankizilahy iray hita faty tao amin’ny fokontany Bemelo, kaominina Ianabinda, distrikan’i Betroka, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Naharay antso tamin’ny lehiben’ny fokontany ao an-toerana ny zandary miasa ao Ianabinda momba ny fahitana fatin’olona mampiahiahy tanteraka. Nidina ifotony nanamarina ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Ankizy vao erotrerony monja 12 taona eo ho eo hita tsy nisy aina intsony sady tsy nisy loha teo amin’ny toerana voatondro. Niezaka namantatra ny mombamomba io ankizy io ireo manodidina saingy tsy nisy nahalala azy. Niditra an-tsehatra tamin’ny fizahana ny vatana manga­tsiaka ny mpitsabo avy ao anivon’ny CSBII natrehin’ny ben’ ny Tanàna ao Ianambin­da. Ma­laza ratsy amin’ny tranga fanampahan-doha ny faritra Atsimo indrindra ny ao Toliara II. Tsy fantatra mazava hatreto, ny antony namonoana io ankizilahy vao 12 taona monja io. Misahana ny fanadihadiana momba ny tranga raha teo ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Ahina ho novonoina noho ny fanaovana sorona io niharan’ny famonoana io. Na­tolotra ny fokonolona ny nofo mangatsikan’ilay ankizilahy io.

Tsiferana R.

Partager sur: