Renim-pianakaviana iray, 36 taona, hita faty tetsy amin’ny Lalamby manakaiky ny fiantsonan’ny taxi-be Ankadimbahoaka, omaly maraina tamin’ny 7 ora. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana teo am-panatanterahana ny asany izy.
Niboridana ny razana ary nahitana tsindrona antsy maromaro tamin’ny vatany, raha ny zava-nisy teny an-toerana. Voatsindrona ny teo amin’ny tendany, ny tratrany ary ny lamosiny. Hita teo amin’ny 5 metatra miala ny vatana mangatsiakany ny kirarony sy ny antsy feno ra namonoana azy. Olona mpandalo no nahita ny faty nivalampatra ka nampandre ny polisy miasa eny amin’ny manodidina. Raha ny fantatra, mananotena ary mamelona zanaka telo mianadahy io hita faty io. Io asa alina io no hamelomany ny ankohonany, raha ny fanazavana nataon’ny zanany lahy. Miala ny trano fonenany eny Anosimahavelona, amin’ny 6 ora hariva ka mandeha manao ny asany eny amin’ ny manodidina ny Lalamby Ankadimbahoaka izy. Miverina mody kosa izy any amin’ny 9 ora alina any ho any.
Tsenain’ny zanany lahy foana isaky ny alina
Efa an-taona maro io vehivavy io no nanao io asa io. Isaky ny alina, mitsena ny reniny eny amin’ny Lalamby Ankadimbahoaka foana ny zanany lahy. “Afakomaly, nitsena azy teny aho tamin’ny 8 ora sy sasany alina, tsy nahita azy aho fa naheno ny feony niantso ny anarako”, hoy Issaya, 16 taona, zanany lahy. “Niandriandry azy teny ihany aho fa nandeha nody tamin’ny 10 ora alina rehefa tsy nahita azy”, hoy ihany izy. Hataraina anefa ny maraina rehefa naheno tamin’ny mpiara-monina fa hita faty etsy Ankadimbahoaka ny reniko. Olona tsotra, tsy tia mifamaly aman’olona, ary tsy nifoka sigara sy tsy misotro toaka izy. Tsy fantatra ny tompon’antoka tamin’izao vono olona feno habibiana izao. Tsy hay koa ny anton’ny famonoana. Mbola hita tany amin’io vehivavy io ny vola azony. Efa nahitana fatim-behivavy tahaka izao ihany koa teny an-toerana tamin’ny telo volana lasa. Tombanana ho efa afakomaly alina ny nahafatesan’io vehivavy io.
Mino




