Fandefasana mpiasa any ivelany: 30 ireo trangana fisolokiana, olona dimy naiditra am-ponja

Nahatratra 30 isa ny trangana fisolokiana mahakasika ny fandefasana mpiasa any ivelany, tamin’ity taona 2025 ity, raha ny tatitra voaray eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny fanadihadiana manokana sy ny ady amin’ny hosoka.

Olona dimy naiditra vonjimaika am-ponja taorian’ny fiakaran’ny ra­haraha fampanoavana ny 4
sy ny 20 aogositra 2025 lasa teo. Mpandefa mpiasa mala­gasy hiasa any ivelany amin’ ny alalan’ny antontan-taratasy ho­soka izy ireo. Voasambotry ny polisy ny 1 Aogositra lasa teo ireo olona efatra mpiray tsikombakomba tamin’io raharaha io. Nahatratrarana tara­tasy hosoka maro be tao an-tranon’ireo olon-dratsy ireo. Toy ny kopian’ny sora-pahaterahana hosoka 49, karapanondro ho­soka enina sy ny maro hafa. Taorian’ny famo­torana, nanoro ny tompon’antoka tamin’io fisolokiana ireo voarohirohy. Nitohy ny fikarohana ary tratra ny 16 aogositra 2025 ny olona roa tompon’antoka voalohany tamin’ ny asa ratsy. Nahitana fitombokase hosoka 112 amin’ny anarana sampandraharaham-panjakana maro ihany koa tao amin’izy ireo.
Mahatratra 10 tapitrisa ny saram-pikarakarana

3 hatramin’ny 10 tapitrisa Ariary ny saran’ny fikarakarana rehetra alain’ireto olon-dratsy ireto. Efa maro ny voasoloky, indrindra ireo olona maniry hiasa any ivelany. Manoloana ny hosoka, misedra fahasahiranana goavana ireo voaso­loky rehefa tonga any ivelany satria taratasy hosoka avokoa no entin’izy ireo. Betsaka ihany koa ireo voasoloky tsy afaka nivoaka mihitsy satria hatramin’ny tapakilan’ny fiaramanidina dia hosoka avokoa.
Marihina fa niainga tamin’ ny fitarainana nataona vehivavy roa, voafitaka tamina tolotr’asa mankany Maurice ny fanadihadiana. Nitory teny amin’ny sampandraharahara misahana ny fanadihadiana manokana sy miady amin’ny hosoka eo anivon’ny Polisim-pirenena izy ireo ny 31 jolay lasa teo. 8 tapi­trisa Ariary ny saran’ny fikarakarana taratasy rehetra notakian’ireo mpisoloky. Anton-taratasy hosoka avokoa ny azo tamin’ireo mpikarakara anefa, hatramin’ny tapakilan’ ny fiaramanidina.

Mino

Partager sur: