Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tetsy Ankadivory Ilafy, afakomaly alina tamin’ny 12 ora tany ho any. Niditra sy nandroba tao amin’ny tokantrano iray voalohany, eny an-toerana, ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana sy nisaron-tava miisa efatra. Nosokirin’izy ireo ny varavarana, nandratra olona tao an-trano izy ireo vantany vao tafiditra. Naratra mafy teo amin’ny tanana sy ny feny vokatry ny vono nahazo azy ny olona iray tao an-trano. Lasa nitsoaka izy ireo raha mbola tsy nahazo na inona na inona. Nifanenana tamin’ny lehilahy iray vao tonga avy any Toamasina ireto olon-dratsy ireto, ka nitifitra azy io avy hatrany. Voatifitra teo amin’ny feny ilay lehilahy. Mbola norobain’izy ireo koa ny kitapokely iray nisy vola sy finday. Tonga teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ankadikely Ilafy nijery ny zava-nitranga. Efa lasa nitsoaka sy nandeha nandroba tokantrano iray hafa nefa ireto olon-dratsy ireto. Tsy tafiditra tao an-trano izy ireo, nandritra ity fanafihana farany ity satria tsy voavaha ny varavarana. Tonga haingana teny an-toerana ny zandary. Nanapoaka basy ireo olon-dratsy vantany vao nahita ny mpitandro filaminana. Tafaporitsaka avokoa izy rehetra na dia teo aza ny ezaka nataon’ny zandary. Tombanana ho vao avy nanafika trano fivarotana iray teny Soaniadanana, Sabotsy-Namehana, ny herinandro lasa teo, ireto olon-dratsy ireto.
Mino




