Fatim-behivavy hitan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambohimiadana Avaratra, kaominina Tsiafahy, omaly maraina. Naolana ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy.
Nokarohin’ny fianakaviany nanomboka ny sabotsy 23 aogositra lasa teo. Hita tao amin’ny fokontany Ambohimiadana Avaratra, kaominina Tsiafahy, ny vehivavy iray, omaly maraina tamin’ny 8 ora sy sasany. Tsikaritry ny fokonolona niaraka tamin’ny lehilahy iray gadra manana fahazoan-dalana manao raharaha ivelan’ny fonja io vehivavy io, tamin’ny fotoana nahitana azy farany. Tsy naharenesam-peo intsony taorian’izay sady tsy hita. Nikaroka azy ny fokonolona saingy tsy nahitam-bokany. Nisy nahatsikaritra ny vatana mangatsiakany, omaly. Niroso tamin’ny fiantsoana ny tomponandraikitry ny tanàna sy ny mpitsabo nanao ny fizahana ny fokonolona. Voamarina, nandritra izany, fa niharan’ny fanolanana ary niniana novonoina io vehivavy io. Mitaky ny hamoahana ny marina momba izao tranga izao ny fokonolona ao amin’ny fokontany Avarabohitra, ao anatin’ny kaominina voakasika. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana.
Rantsam-batana niparitaka
Ankoatra io, rantsam-batan’ olona, nahitana tanàna, tongotra koa, hitan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Seranana Vohibato, kaominina Andranomiditra, distrikan’i Vohibato, ny alahady 24 aogositra teo. Niroso tamin’ny famotorana namantarana ny mombamomba ireo rantsam-batana hita ireo ny tomponandraikitry ny filaminana. Tombanan’ny mpitsabo nanao ny fizahana ho vehivavy io lasibatra io. Na izany aza, tsy nahita na inona na inona tamin’ny toerana manodidina ny fokonolona sy ny zandarimaria avy ao amin’ny tobim-paritra Alakamisy Itenina. Marihina, mirongatra ny tranga vonoan’olona ary saika hita manerana ny Nosy izany.
Tsiferana R.




