Tontosa ny marainan’ny talata 26 aogositra teo ny fotoam-pitsarana an’ireo mpianatra enina mirahalahy voampanga tamin’ny fandratrana olona sy fanimbana zavatra, toy ny fiara, teo amin’ny lalam-pirenena faharoa, ny 20 aogositra lasa teo. Taorin’ny fifandaharana, nambaran’ny filoha mpamoaka didy fa sazy fananarana no omena ireo mpianatra ireo. Iray voaheloka enim-bolana sazy mihantona. Sazy mihantona herintaona ho an’ny roa lahy ary ny telo hafa nohafahana am-pisalasalana. Efa nisy rahateo ny fifampiresahana teo amin’ny solontenan’ny mpianatra sy ny tomponandraikitry ny Oniversite ary ny OMC notarihin’ny lehiben’ny fampanoavana ambony, ny sabotsy 23 aogositra teo. Raha iverenana, nilaza ny governoram-paritra, mpisolo toerana, Rakotovao Andry, fa feno ny kapoaka, tsy zaka intsony ny hetraketraky ny mpianatra. Mihoatra ny loha noho ny faharatrana olona, mpianaka avy nanao fialantsasatra hody. Tsy nanampo na inona na inona ireo mpandalo kanefa lasibatra.
“Izahay taloha mpianatra tao Barikadimy vao tonga amin’ny toerana misy anay izao ary mbola tsy nitarika fitokonana na nandray anjara fa fianarana hatrany no nilofosanay mba tsy ho vey maina ny ezaka ataon’ny ray aman-dreninay”, hoy ny governoram-paritra Atsinanana mpisolo toerana, taorian’ny famangiany sy nitondrany solona ranom-boankazo sy fiantohana ny saram-pitsaboana ireo naratra ka tsaboina etsy amin’ny Hopitaly be, ny talata teo.
Sajo




