Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandehanana ny toekarena eto amin’ ny Nosy, ny orinasa madinika sy salantsalany. Ny PME no mampandeha ny toekarena malagasy. Matetika anefa mandalo fotoan-tsarotra izy ireo, takon’ireo tsy manara-dalàna amin’ny fifaninana, indrindra eo amin’ny famatsiam-bola.
Mihena ankehitriny ny isan’ny fananganana orinasa madinika sy salantsalany, toy ny karazana mpivarotra, mpanondrana sy/na mpanafatra entana, mpiasa tanana amin’ny hazo/vy, mpanao trano sy lalana, mpiompy, mpanao mofo, miasa amin’ny serasera … Mampiasa olona 5 hatramin’ny 100, manana renivola 2 hatramin’ ny 60 tapitrisa Ariary, araka ny tatitra navoakan’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar ). Latsaka ambany ny fananganana PME satria sarotra ny findramam-bola.
Tsy mora ny findramam-bola eto Madagasikara. Ao anatin’izany, ambony loatra ny zanabola ary tsy sahy miditra ny tanora sady tsy ampy fiofanana sy fikarohana. Ahoana ny fomba fananganana orinasa? Inona ny tokony hanamorana izany raha hanangana orinasa eto Madagasikara?
Ny tanjona dia ny hampirisika ireo tanora tsy hiandry tolotrasa mandrakariva fa mba hanangana ny ho azy manokana. Ny fivelomana eto Madagasikara dia miompana amin’ ny fambolena sy fiompiana. Aorian’izay, dia ny varobarotra no betsaka, izay manimba ny famoronana orinasa. Ireo tena mpanao asa tanana, tsy ampy 10 % akory. Olana hitoviana ny tsy fahampiam-bokatra sy ny akora ahodina, indrindra
ny vokatra fanondrana any ivelany. 24 % ireo mpivarotra, olona eo anelanelan’ny 36- 50 taona, manaraka izay, ireo 68 taona.
Tsy mandroso ny teknolojia eto Madagasikara ka any amin’ny ankamaroan’ny varotra ny olona. Tsy ampy fikarohana sy famoronana ny Malagasy, miampy ny fahasarotana any amin’ny banky sy ny zanabola mavesatra loatra. Tokony hahazo tohana ara-panjakana ny PME eto amintsika, tsy amin’ny lafiny ara-bola ihany fa amin’ny lafiny rehetra, ary atao miompana amin’ny fambolena sy fiompiana.
Sakana ny famatsiam-bola
Betsaka ny azo trandrahina eto Madagasikara, hampiroboroboana ny orinasa madinika sy salantsalany (PME), saingy eo amin’ny famatsiam-bola no hitan’ny maro fa sakana. Misy anefa fomba ahazoana famatsiam-bola, raha ny voalazan’ny banky sasany : alohan’ny hangataka famatsiam-bola, ilaina matotra tsara sy amin’ny antsipiriany ny antontan-taratasy.
Aseho mazava tsara ny asa atao sy ny fomba hanantanterahana azy ao anatin’ny telo na dimy taona. Asehoy ny fahaizana mifehy ny tsena sy ny sehatra tiana hotrandrahina sy izay mety fifaninana mety ho atrehina. Ireo miaraka porofoina amin’ny tarehi-marika.

Betsaka ny tsy ara-dalàna
Maherin’ny 400 000 ny orinasa tena madinika fantatra
eto amin’ny Nosy ka ny 260 000 amin’izy ireo hita eto an-dRenivohitra sy ny manodidina avokoa, ankoatra ireo miasa tsy ao anatin’ny ara-dalàna, izay an’arivony maro, ary saika mivarobarotra avokoa no ataony. Ireo mpivarotra ireo anefa no manome ny 60 % ny harinkarena faobe.
Anisan’ny betsaka ao anatin’ny tsy ara-dalàna ireo mpivarotra hani-masaka sy miasa amin’ny serasera (cyber …). Hiatrehana izany, tsy misy vahaolana afa-tsy ny fifampiresahana eo amin’ny fanjakana sy ny mpanao azy, ireo mpisehatra amin’ny orinasa tena madinika, izay betsaka ny tsy
ara-dalana, midika izany fa misy ny vola (hetra/haba) very amin’ny fanjakana.
Asehoy ny tsenambarotra rehetra
Ny PME izay mora mirodana raha tsy mahazaka fifaninana sy izay mety fiovana eo amin’ny mpanjifa, na ny toetr’ andro aza. Mety tsy hahazoana famatsiam-bola ny fandraharahana tsy misokatra noho ny faharatsian-dalana na ambany fahefa-mividy ny mponina misy azy. Miankina betsaka amin’ ny karazana mpanjifa ireo PME. Mety ho sarotra tokoa ny fahazoana famatsiam-bola raha fandraharahana hita fa tsy mivoatra, ohatra.
Nanatontosa : R.Mathieu




